Zoma 02 Aogositra 2024
1 Samoela 16, 4-13
Ary hoy Jehovah: « Mitsangana, hosory izy, fa io no izy » (and 12b)
Davida, olom-boahosotra.
1-Araka ny toromariky ny Tompo
« Ary Samoela nanao izay nolazain’i Jehovah » (and 4)
Nanome baiko an’i Samoela ny Tompo. Iraka ho fanosorana mpanjaka no nomeny. Isan’ny toromarika amin’izany ny fanamasinana ny tena ho an’izay hiara-dalana hanatanteraka ny baiko. Tsarovy fa ny Tompo mihitsy no tompomarika amin’ny fanosorana ny mpanompony. Ny mpanatanteraka ny baiko dia fitaovana ihany. Atao am-pahamalinana sy am-pitandremana izany fanosorana izany.
2- Voafidy tao anatin’ny maro
« Ary Samoela nandray ny tandroka feno diloilo ka nanosotra azy teo amin’ny rahalahiny » (and13a)
Na teo aza ireo rahalahin’i Davida miisa fito dia tsy nisy tamin’izy ireo no voafidy manokana mba handray hosotra. Davida ilay mpiandry ondry, mpanetry tena no niantefan’ny safidy. Tsy mijery ivelany tokoa ny Tompo rehefa mifidy ny mpanompony. Tsy tahaka ny fanaon’izao tontolo izao, variana amin’ny endrika amam-bika sy ny hita maso.
3-Nilatsahan’ny Fanahin’ny Tompo
« Ary ny fanahin’i Jehovah dia nilatsaka tamin’i Davida hatramin’iny andro iny » (and13d).
Mandatsaka ny Fanahiny amin’ny olom-boahosotra ny Tompo. Ilay Fanahin’ny fahendrena, mpanolo-tsaina, mpitari-dalana. Nitarika an’i Davida ho amin’ny fahombiazana tanteraka izany Fanahin’i Jehovah izany. Santarin’i Davida amin’ny fiatrehana sy fandresena an’i Goliata mbamin’ny Filistina ny maha olom-boahosotra azy.
Fanontaniana
Inona avy no mampiavaka ireo olom-boahosotra?
Sampana Sekoly Alahady Foibe