Alarobia 31 Jolay 2024

Ezekiela 20. 18-22

Andriamanitra mitaona ny olona hitandrina ny didiny

1- Mitondra fahavelomana

«… izay mahavelona ny olona manaraka izany, fa nandoto ny Sabatako izy.… » (and. 21)

Rehefa nentin’ Andriamanitra nivoaka avy tany Egypta ny Zanak’Isiraely dia nomeny ny Didy folo. Iray amin’ireny ny fanajana ny Sabata ho famantarana ny maha vahoaka voafidin’ Andriamanitra azy ireo. Tsy nanaraka izany anefa ny Zanak’Isiraely satria hadinony fa ny fitandremana izany didy izany dia mitondra fahaveloma. Ampahatsiahivina koa isika ankehitriny, ny fitandremana ny didin’Andriamanitra, dia midika ho fahavelomana. Anton’ny didin’Andriamanitra dia mba hananan’ny olona fahavelomana. Amin’ny fotoana izay anadinoan’ny olona ny didin’Andriamanitra, ka ahafoizany izany. dia nahafoy ny fiainana izay nomena azy tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy izany olona izany. Tandremo ny didy.

2- Manamasina ny anarany

«Nefa nampihemotra ny tanako Aho, ka dia niasa noho ny amin’ny anarako, … » (and. 22)

Rehefa tsy nitandrina ny didin’Andriamanitra ny Zanak’Isiraely tany anefitra, dia nihatra tamin’izy ireo ny fahatezeran’ Andriamanitra. Na dia izany aza anefa, tsy nahafoy azy ireo Andriamanitra satria Andriamanitra mitana ny teniny Izy sady Masina ny Anarany. Manoloana izany toetran’ Andriamanitra izany, tsarovy mandrakariva, Andriamanitra dia tezitra sy manafay ny olona tsy mitandrina ny didiny. Tsy fandringanana anefa no anton’izany fa ho fampahatsiahivana ny fitandremana ny didiny ihany. Noho izany antony izany no mbola namindrany fo tamintsika, tamin’ny nanomezany an’i Jesoa ho faty teo amin’ny hazofijaliana hamonjy antsika.

Fanontaniana:

Nahoana ny olona no mikiry amin’ny fanaovan-dratsy

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2025

Febroary: MAMONJY NY TENIN'ANDRIAMANITRA

| | 16. Ala. VI man. Epifania - Arsiva FJKM
Isa. 55. 6-13 ; Jao. 6. 66-71 ; 2 Tim. 2. 8-13

| | 23. Ala. VII man. Epifania
Jos. 10. 8-11 ; Lio. 4. 31-37 ; 1 Jao. 2. 12-14

Martsa: MIANTSO HO AMIN'NY FIBEBAHANA NY TOMPO

| | 02. Ala. VIII man. Epifania
Oha . 1. 20 -33 ; Mat. 3. 7-12 ; Asa 26. 19-23

| | 09. Karemy. I
2Mpa. 17. 6-13 ; Lio. 5. 27-32 ; Apo. 3. 1-6