Alatsinainy 29 Jolay 2024

Matio 4. 18-22

Ny olona mandre ny antson’i Jesoa Kristy

1-Manaiky avy hatrany

« Dia nandao ny harato niaraka tamin’izay izy ka nanaraka Azy. » (and. 20)

Rehefa nandre ny antson’i Jesoa nanao hoe « Andeha hanaraka Ahy » i Petera sy Andrea rahalahiny dia tsy nisalasala fa « niaraka tamin’izay » dia lasa « nanaraka Azy ». Tsy nitaredredretra izy ireo fa nanaraka avy hatrany, na dia efa nanana ny asany aza. Rehefa i Jesoa Kristy miantso anao mivantana amin’ny alalan’ny teniny, dia mitaky fanapahan-kevitra hentitra sy maika avy amintsika izany. Eto, tsy ny olona tsy nanan-katao no nanatsoin’i Jesoa Kristy hanaraka Azy fa olona tena amperin’asa mihitsy. Noho izany, tsy tokony ho sakana amin’ny fandraisana fanapahan- kevitra amin’ny fanarahana an’i Jesoa Kristy ny asa atao. Ny zava-dehibe indrindra, dia ny fahavonona hanaraka an’i Kristy.

2- Mahafoy ny zavatra rehetra

« Dia nandao ny sambokely sy ny rainy niaraka tamin’izay izy ka nanaraka Azy. » (And. 22)

Rehefa nantsoin’i Jesoa Kristy i Petera sy Andrea dia voalaza fa nandao ny haratony. Toy izany koa i Jakoba sy Jaona, nandao ny sambokeliny sy ny rainy fa nanaraka an’i Jesoa ho tonga mpanarato olona. Mariky ny fanoloran-tena feno hanompoa an’i Jesoa Kristy izany. Toy izany koa isika, rehefa nandre ny antson’i Jesoa Kristy, namaly izany, dia ataovy marina ny fanoloran-tena. Aza avela hisy na inona na inona ho sakana tsy hahafahanao manaraka an’i Jesoa Kristy. Ataovy hita taratra aeo amin’ny fiainanao andavanandro fa efa nafoinao ny zavatra rehetra, noho ny amin’ny fanarahandia an’i Jesoa Kristy. Koa ataovy marina ny fanolran-tena amin’ny fanarahana an’i Kristy.

Fanontaniana:

Inona no manelingelina ny fanoloran-tenanao ho an ‘i Kristy?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2025

Martsa: MIANTSO HO AMIN'NY FIBEBAHANA NY TOMPO

| | 16. Karemy II - Sampanasa SAF
Hos. 14. 2-4 ; Mar. 1. 14-15 ; 2 Tim. 2. 19-21

| | 23. Karemy. III
2 Tantara 30. 1-9 | Lioka 13. 1-5 | Asan'ny Apostoly 3. 17-21

| | 30. Karemy. IV - Asa Fifandraisana FJKM
Joela 2. 12-17 | Jaona 12, 34-36 | Apokalipsy 2. 1-7

FJKM Fahazavana

ANDRIAMAMPIANINA Zaka, Mpitandrina