Sabotsy 13 Jolay 2024

2 Tantara 25.1-12

Tantaran’i Amazia, mpanjaka tao Joda no anjara mofonainantsika anio. Ny dikan’ny anarana hoe Amazia dia hoe: Jehovah no heriko. Hafatra azontsika raisina eto ary hoe: Mahita fahombiazana ny fanjakana raha toa ny mpitondra ka Mankato ny Tenin’ Andriamanitra:

1- Voasoratra (and 4)

« …nefa ny zanak’ireo tsy mba novonoiny fa nataony araka izay voasoratra ao amin’ny bokin’ny lalana, dia ao amin’ny bokin’i Mosesy, izay nandidian’i Jehovah hoe: ny ray tsy atao maty amin’ny ataon’ny zanany, ary ny zanaka tsy atao maty noho ny ataon’ny rainy« . Tsy ny fahefany na ny heriny teo am-pelatanany no nandraisan’i Amazia fanapahan-kevitra tamin’ny zavatra nataony, fa ny « bokin’i Mosesy », io bokin’i Mosesy io no antsointsika hoe Baiboly na Tenin’Andriamanitra voasoratra ankehitriny. Maneho izany fa tsy hahita fahombiazana mihitsy ny firenena raha ailika na tsy mba ankatoavin’ny mpitondra ny Soratra Masina.

2- Entin’ny mpanompony (and 7)

« Nefa nisy lehilahin ‘Andriamanitra tonga tao aminy…« . Teo mihitsy ny fanaovan’i Amazia ho zava-dehibe Tenin’ Andriamanitra voasoratra, fa teo ihany koa ny fihainoany ny torohevitra entin’ny mpanompon’Andriamanitra. Tsy ny mpanolo-tsainy ara-politika na izay heveriny ho manam-pahalalana no nohenoiny fa ny mpanompon’Andriamanitra, ary nankatoaviny. Raha entina mankaty amin’ny vaninandrontsika izany dia izao, mpitondra mihaino Toriteny, mpitondra mandeha any am-piangonana, mpitondra tsy manilikilika ny Fiangonan’Andriamanitra no mahita fahombiazana sy afaka mampiadana ny vahoaka.

Fanontaniana

Inona no azo hanazavana ny tsy fahombiazan’ny fitondram- panjakana iray?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2025

Febroary: MAMONJY NY TENIN'ANDRIAMANITRA

| | 16. Ala. VI man. Epifania - Arsiva FJKM
Isa. 55. 6-13 ; Jao. 6. 66-71 ; 2 Tim. 2. 8-13

| | 23. Ala. VII man. Epifania
Jos. 10. 8-11 ; Lio. 4. 31-37 ; 1 Jao. 2. 12-14

Martsa: MIANTSO HO AMIN'NY FIBEBAHANA NY TOMPO

| | 02. Ala. VIII man. Epifania
Oha . 1. 20 -33 ; Mat. 3. 7-12 ; Asa 26. 19-23

| | 09. Karemy. I
2Mpa. 17. 6-13 ; Lio. 5. 27-32 ; Apo. 3. 1-6