Zoma 12 Jolay 2024&
Kolosiana 1.9-14
Faly sady velom-panantenana tamin’ny Kristiana tao Kolosia i Paoly Apostoly. Tena soa fianatra izao ataony izao, ary ampirisihina antsika mba:
1- Hampahery ny efa mijoro tsara (and 9)
« Ary noho izany, izahay…dia tsy mitsahatra mivavaka sy mangataka ho anareo… » hoy i Paoly eto. Ny zavatra tsikaritra eto dia izao, tsy ny Kolosiana no mangataka amin’i Paoly mba ho entina am-bavaka, fa i Paoly tenany no mahatsiaro fa tsy ny olona reraka sy kivy ihany no tokony hampaherezina fa izay efa mijoro ihany koa dia mila fampaherezana sy fitondrana am-bavaka mba hahazoan’izy ireo mahajoro tsara, sy miorina amin’ny finoana fa indrindra indrindra mba hahazoan’izy ireo manohy maneho fitiavana hatrany eo amin’ny mpiara-belona aminy (Kol 1. 4). Mba hahatonga azy ireo ho fanasina sy fahazavana hatrany. Mba ianaro izao fampaherezana ny efa mijoro izao; tsy midika anefa akory izany hoe aza mivavaka ho an’izay tena mbola mila fanarenana sy taomina ho ao amin’i Jesoa.
2- Hikatsaka ny soa ho azy ireo (and 10, 11)
« …Mba handehananareo mendrika ny Tompo…ary ampahatanjahina amin’ny hery rehetra araka ny herin’ny voninahiny ho amin’ny heriny rehetra sy ny fandeferana amin’ny hafaliana« . Tsindrian’i Paoly eto fa izay mba hananan’ireo Kolosiana ireo, izay azo lazaina fa zanany am-panahy ireo, ny anjara tsara no imatimatesany ka mahatonga azy mivavaka tsy mitsahatra ho azy ireo. Sitrak’i Paoly ny mba hahazoan’ ireo « zanany » ireo ny fiainana tsara lavitra, dia ny fiainana mandrakizay. Dia ireo zanany, izay efa lazain’i Paoly fa efa nalan’ny Tompo tao anatin’ny maizina ho amin’ny fahazavana mahagaga!
Fanontaniana:
Ny olona manao ahoana araka izany no isan’izay tokony entina am-bavaka?
Sampana Sekoly Alahady Foibe