Alarobia 10 Jolay 2024

Salamo 68. 7-14

Mampiaiky volana ny Isiraely ny fomba fitondran’ Andriamanitra ny fiainan’izy ireo, tsy vao eto ihany, fa teo amin’ny tantarany mihitsy. Hiraina ao anatin’ity Salamo ity izany, ary ahasinkasina eto ary fa raha Andriamanitra no mandeha eo alohan’ny olona, na dia mamaky tany efitra aza dia:

1- Mihorohoro ny tany (and 8a)

Ny hevitr’ity teny hoe « Mihorohoro » ity raha adika faran’izay tsotra, dia hoe mangovitra na matahotra; izany hoe miaiky ny herin’Andriamanitra tanteraka. Azo takarina avy amin’izany fa tsy ny tany fotsiny ihany fa ny mponina eo aminy koa dia samy manaiky ny fahefan’Andriamanitra. Mitaona antsika hatoky ny Tompo izany, fa raha Izy no mandeha eo alohantsika dia tsy misy mahatohitra antsika satria lehibe ny heriny; Tsitoha Izy ka tsy hisy afaka haninona antsika. Moa va tsy izany no nasehon’i Jesoa, raha nilaza ny tenany ho Mpiandry tsara Izy? Raha Izy no arahintsika (Izy eo aloha ary isika avy ato aoriana), dia tsara fiarovana isika!

2- Mitaitaika ny lanitra (and 8b)

Ny teny hoe « Mitaitaika » dia maneho kosa, fa ny voahary manontolo mihitsy, tsy ny tany sy ny mponina eo aminy fotsiny ihany fa miaiky ny herin’Andriamanitra hatramin’ny zava-boahary, koa raha Izy Andriamanitra no mandeha eo alohan’ny olony dia azo antoka ny fiainana be dia be, araka izay nolazain’i Jesoa rahateo. Ny lanitra mitaitaika eto mantsy dia mampahatsiahy ny nilatsahan’ny mana avy any an-danitra fony tany an’efitra, nefa mahalaza ny fanomezan’ Andriamanitra ranon’orana hiantoka ny fahavelomana.

Fanontaniana:

Ahoana ny fahatsapanao ny fihatran’ireo hafatra ireo teo amin’ny fiainanao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

FJKM ANTANAMBAO FAHAZAVANA AMBOHIMANGAKELY (SPAA12)