Alahady 07 Jolay 2024

Jaona 8:12-19

Anankiray amin’ny filazan’i Jesoa ny tenany ny mofonaina anio, raha milaza Izy fa Izy no fahazavan’izao tontolo izao. Io fanambaran-tenan’i Jesoa io dia mitaona antsika hanaraka Azy satria, izay manaraka Azy dia :

  1. Mandeha amin’ny mazava (and. 12b)

Hoy ny filazan’i Jesoa eto: « Izaho no fahazavan’izao tontolo izao, izay manaraka Ahytsy mba handeha amin’ny maizina … » Azontsika takarina avy amin’izany tenin’i Jesoa izany, fa raha toa mandeha irery sy amin’ny herin’ny tenany, na ny saim-patany fotsiny ny olona na ihany koa, mitoky amin’izay mety ho fahalalany na fahefany na hareny, dia tsy mahita ny lalan-kalehany satria mandeha amin’ny maizina izy, tsy fantany akory ny miandry azy, tsy hitany akory ny tokony sy tsy tokony hizorana ary tsy fantany akory hoe aiza ho aiza no misy azy, fa toy ny jamba nanilika ny mpitantana azy. Tsy mahagaga raha miraparapa, sy tafintohina ary ho diso fanantenana izy. Fa ianao kosa aza mandeha irery; i Jesoa ihany arahina tsara, ny finoana Azy no ioreno tsara.

2. Manana ny mazava (and 12d)

Hoy i Jesoa hoe : « fa hanana ny fahazavan’aina. » Rehefa dinihantsika tsara io andininy io dia maneho fa tsy hoe tsy ho diso lalana fotsiny ihany akory izay manaraka an’i Jesoa fa sady mahita ny lalan-kaleha izy, tsy sasa-miarina na maratra am-pandehanana vokatry ny aizina fa mahazo fiainana, ary fiainana mandrakizay mihitsy, no sady fiainana be dia be. I Joba dia efa niaina an’io raha nilaza hoe : « mba hamerina ny fanahiny tsy ho any an-davaka mba hihazavany amin’ny fahazavan’aina. » (Joba 33. 30) rehefa nahatakatra izy fa ao amin’ny Tompo ihany no azo antoka hahazoana fiainana fa ivelan’izany dia aizina sy fahadisoam-panantenana.

Fanontaniana :

Manaraka an’iza moa ny lalam-piainana izao?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

FJKM ANTANAMBAO FAHAZAVANA AMBOHIMANGAKELY (SPAA12)