Zoma 05 Jolay 2024
Deoteronomia 20. 1-4
Raha miara-mandeha amin’i Jehovah Andriamanitrao ianao dia aza matahotra ny fahavalo:
1- Fa Jehovah momba anao (and 1)
« Raha mivoaka hanafika ny fahavalonareo ianareo ka mahita soavaly sy kalesy ary olona maro noho ianao, dia aza matahotra azy… fa Jehovah Andriamanitrao, izay nitondra anao niakatra avy tany Egypta no momba anao« . Ny hevitry ny teny ho momba anao voalaza eto, dia hoe miaraka aminao hatrany na aiza na aiza.; ary azo adika ihany koa hoe miandany aminao. Eto no tsy mampitombina ilay fitenin’ny olona mahazatra hoe: Andriamanitra tsy mba miangatra; fa teny miangatra mihitsy Andriamanitra, izay hoe miandany amin’izay matahotra sy mankato Azy. Fomba fiasa tena nataon’i Jesoa koa izany, tena miandany amin’izay mino Azy Izy, ary nohamafisiny hoe momba (ny mpianany) mandrakariva Izy ambara-pahatongan’ny fahataperan’izao tontolo izao (Mat 28. 18-20). Koa mahereza ianao izay mino, fa miandany aminao ny Tompo.
2- Fa Jehovah hiady ho anao (and 4)
« Fa Jehovah Andriamanitrareo no miara-mandeha aminareo hiady ho anareo amin’ny fahavalonareo mba hamonjy anareo« . Hitantsika eto fa tsy hoe miaraka amin’izay vonona hiara-handeha Aminy fotsiny Andriamanitra eto fa mihoatra lavitra izany aza no ataony, miady ny adin’ny olony Izy. Tsy vao eto no hahitantsika izany; voalaza mihitsy hoe: « Jehovah hiady ho anareo fa ianareo kosa hangina » (Eks 14. 14). Ny azo antoka dia izao, raha avelantsika hiady ny adintsika Andriamanitra dia azo antoka ny fandresena ho antsika, fa toy inona moa no nanaovan’ Andriamanitra an’i Farao sy ny miaramilany?
Fanontaniana:
Inona moa ho hevitry ny teny hoe Jehovah Andriamanitrao no momba anao?
Sampana Sekoly Alahady Foibe