Alakamisy 04 Jolay 2024
Lioka 8.1-3
Ity anjara mofonainantsika anio ity dia maneho amintsika ny hoe karazan’olona ahoana avy no manaraka an’i Jesoa; ary ireto ny valiny:
1- Ny olona manaiky ho mpianany (and 1)
« …lasa Jesoa nitety ny tanana sy ny vohitra nitory ny filazantsaran’ny fanjakan’Andriamanitra, ary ny roa amhin’ny folo lahy nanaraka Azy » hoy ny fitantarana eto. Midika izany, fa izay manaiky ho mpianany, nahafoy ny zavatra rehetra no mahay manaraka an’i Jesoa. Ary tsy manaraka Azy hitsangatsangana akory fa ho mpiara-miasa hitory ny filazantsara. Mazava araka izany fa tsy olona mpitady tombontsoa manokana no manaraka an’i Jesoa fa izay nahafoy aza, ka vonon-kitory ny filazantsara.
2- Ny olona efa nisitraka ny famonjeny (and 2)
Voalaza eto fa nanaraka an’i Jesoa koa « …mbamin’ny vehivavy sasany, izay efa nositraniny…« . Izany hoe ireo izay tena efa nahatsapa mivantana teo amin’ny fiainany fa i Jesoa tokoa no mpamonjy izao tontolo izao. Tsy olona nitantarana fa tena niaina mihitsy sy nahatsapa ny herin’i Jesoa ka resy lahatra amin’ny finoana Azy. Azo lazaina mihitsy koa hoe efa nihaona tamin’i Jesoa! Ary ianao mba ahoana?
3- Ny olona vonona hanompo azy (and 3)
Mbola hamafisina eto fa misy olona hafa koa izay ambara amin’ny hoe « …mbamin’ny maro hafa koa, izay nanompo Azy tamin’ny fananany« . Midika izany fa, rehefa nanaiky an’i Jesoa ho Tompo sy mpamonjy ny olona dia tsy ny tenany ihany no atolony hanompo an’Andriamanitra fa izay rehetra azy koa dia foiny hanohanana ny asa fitoriana ny filazantsara mba handrenesan’ny olona rehetra ny famonjena. Hatraiza ny fahafoizantsika ho an’ny asa fitoriana ny filazantsara?
Fanontaniana:
Isan’izay manaraka an’i Jesoa ve ianao? Nahoana?
Sampana Sekoly Alahady Foibe