Alatsinainy 01 Jolay 2024

Marka 8. 34-38

MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

Rehefa avy niteny mafy an’i Petera i Jesoa dia nitodika tamin’ny vahoaka ary nampianatra ny olona fa ny fanarahana an’i Jesoa dia:

1- Safidy (and 34a)

Mazava ny filazan’i Jesoa hoe: « raha misy ta hanaraka Ahy.. », izany hoe tsy manery na iza na iza akory Izy hanaraka azy, satria ny teny fototra amin’ny hoe « ta hanaraka » rahateo dia midika hoe an-tsitrapo, na ihany koa am-pitiavana sy fifaliana ary mahita fahafinaretana amin’izany. Tsy fomban’i Jesoa rahateo ny manao an-terisetra! Ka moa maniry hanaraka azy ve ianao?

2- Mitaky fandavan-tena (and 34b)

Fa rehefa mandeha amin’ny sitrapo, manaraka an’i Jesoa, izany hoe manaiky ho mpianany, mandray Azy ho Tompo sy Mpamonjy ny olona, dia ampahafantariny kosa fa fandavan-tena no ilaina amin’izany. Ny dikan’ny hoe fandavan-tena dia hoe manao ho zava-dehibe ny fanarahana an’i Jesoa mihoatra noho ny zavatra hafa rehetra, ka i Jesoa hatrany no laharam-pahamehana, ary ny fanaovana ny sitrapony no imatesana sy tanterahina. Moa manaraka Azy marina ve ianao?

3- Itondrana hazofijaliana (and 34d)

Ny mahafinaritra amin’i Jesoa, dia Izy tsy mba mamely am-pitaka fa ambarany mazava mihitsy ihany koa fa hitondrana hazofijahana ny fanarahana Azy, fahavononona hiharitra sy hihafy izany ary mety hihatra aman’aina aza; kanefa ny tena mahafaly ihany koa dia izao: tsy very maina izany, fa izany no hahazoana antoka ny fiainana mandrakizay. Ny lalam-pandresena miezinezina dia mandalo amin’ny hazofijaliana.

Fanontaniana

Hatraiza ny fahavononanao hanaraka an’i Jesoa ?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2025

Janoary: LEHIBE NY FIANDRIANAN'ANDRIAMANITRA

| | 12. Ala. I ma . Epifania
2 Tan. 20. 5-9 ; Mat. 5. 33-37 ; Heb. 12. 1-3

| | 19. Ala. Il man. Epifania - FFKM
Isa. 66. 1-2 ; Jao. 2. 1-12 ; Asa 7. 44-50

| | 26. Ala. III man. Epifania - Marary Hoditra
Lev. 13. 9-17 ; Mar. 1. 40 -45 ; Jak. 5. 13-18

Febroary: MAMONJY NY TENIN'ANDRIAMANITRA

| | 02. Ala. IV man. Epifania
Zak. 8. 1-8 ; Jao. 5. 39-47 ; Efe. 1. 7-14

FJKM Fahazavana

Dr IRAKO ANDRIAMAHAZOSOA Ammi, Mpitandrina

Filohan’ny FJKM