Sabotsy 15 Jona 2024

Salamo 124.1-8

Ny fiarovana ny olon’Andriamanitra dia avy Aminy irery ihany

1- Amin’ny ady atrehina amin’ny fahavalo (and 1-5)

Ny fandresena amin’ny ady dia tsy avy amin’ny herim-batana fa avy amin’ny herim-panahy sy saina. Ny herim-panahy sy saina anefa dia avy amin’ny Mpamorona ihany. Fantatsika tsara fa rehefa voa ny saina ka marefo, dia resy ho azy. Ankoatra izay koa rehefa hiady ny olona dia efa misy olona sahaza ny heriny any amin’ny fahavalo any ka ahiana foana ny faharesena satria ny haintsika mety ho hain’ny hafa koa. Amin’izany dia mety ho resy mihintsy isika. Eo amin’izay vao miantso famonjena avy amin’Andriamanitra ny olona. Satria efa tsy laniny intsony, tonga amin’izay ny herin’Andriamanitra izay tsy hay tohaina ka ny fandresena amin’izany dia ilay fandresena azo amin’ny fomba mahagaga satria tsy misy idiran’ny olombelona intsony.

2- Ny fiarovana amin’ny fandrika (and 7)

Ny fandrika dia tsy ampoizina nefa tena mety hitarika amin’ny faharesena. Ataon’ny fahavalo any amin’ny miafina ireny, ary tsy ho fantatsika mihitsy. Andrimanitra ao ambony irery no mahita izany ka manoro amin’ny fomba tsy fantatra mba hiarovan-tena amin’izany. Omeny fanahy mitandrina sy malina ny olony mba hahafatampatatra mialoha izay hitranga, na manao izay hahatsinontsinona ny fandrika ka hahavoa ny olony. Azo antoka ry havana, ny fiarovan Andriamanitra. Hoy ny teny ao amin’ny Genesisy 15.1a: « Aza matahotra ry Abrama Izaho no ampinganao sy valim-pitia lehibe indrindra ho anao ». Izy no ampingatsika miaro atsika.

Fanontanina:

Mino ve ianao fa ampinganao tokoa ny Tompo?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2024

Jolay: MIARAHA MANDEHA AMIN’NY TOMPO ANDRIAMANITRAO

| | 28. Ala. IX man. Trinite - TPM sy IFRP
Deotoronimia 31. 1–8 | Matio 4. 18–22 | Kolosiana 2. 4–7

Aogositra: MANAMASINA NY TENANY NY MPINO

| | 04. Ala. X man. Trinite
Levitikosy 19. 1–4 | Matio 7. 6 | 1Petera 1. 13–16

| | 11. Ala. XI man. Trinite - KFTM (Maritiora)
Estera 4. 6–17 | Lioka 12. 4–7 | 1Petera 1. 13–16

| | 18. Ala. XII man. Trinite - Aumônerie Nationale
Isaia 52. 11–12 | Marka 7. 14–23 | 2Korintiana 6.11–7.1

FJKM Fahazavana

FJKM ANTANAMBAO FAHAZAVANA AMBOHIMANGAKELY (SPAA12)