Alarobia 12 Jona 2024

Ohabolana 22.17-23

1- Mahasoa ny mihaino anatra (and 17-18)

Ny anatra ataon’izay olona manana traikefam-piainana sy izay olona milona amin’ny Tenin’Andriamanitra. Matetika ny olona izay tsy mihaino anatra dia tsy maintsy mifanehitra amin’ny fahavoazana mandrakariva. Ny olona mandray anatra kosa dia sakaizan’ny fahasoavana, fiadanana ary ny fitahiana koa aza. Ry havana, tena mahasoa ny mandray anatra, na día somary mila fietrena aza izany.

2- Toy ny ady atao amin’Andriamanitra ny fanosihosena ny malahelo (and 22-23)

Ny atao hoe malahelo eto dia tsy izay jerena amin’ny endrika mampalahelo loatra fa ireo olona izay tsy manana fahafahana hiaro tena amin’ny fitsarana sy ireo olona izay ampahantraina tsy avela hahazo harena fa esorina aminy izay kely ananany, ambakaina, solokiana, botriana, araraotina amin’ny fahalemena ara-tsaina sy ara-batana izay mahazo azy…Ireny no ilay tsy misy mpiaro, saingy, hay kay ny olombelona no tsy mijery azy fa Jehovah no misolo vava. Rariny loatra raha manao izany Izy satria Izy anie no Mpamorona e, izy no Mpandrindra ny fiainan’ny zava- boariny. Raha misy amin’ireo zava-boariny manao tsinontsinona ny malahelo toy izany; dia hainy ny ampifamadika ny toerany indray. Hoy ny Malagasy hoe: « kodiaran-tsarety ny fiainana » rehefa miseho ny toy izany dia tanteraka ity Soratra Masina andininy 22-23 ity. Ry havana, hoy ny voalazan’ny Ohabolana 14.21: « Fa endrey ny fahasambaran ‘izay mamindra fo« . Tsy mahafatiantoka velively ny manaraka izany Soratra Masina izany.

Fanontaniana

Aminao, ny karama vary masaka ve isan’izany fanosihosena ny malahelo izany sa tsia?

Sampana Sekoly Alahady Foibe

Perikopa 2025

Febroary: MAMONJY NY TENIN'ANDRIAMANITRA

| | 16. Ala. VI man. Epifania - Arsiva FJKM
Isa. 55. 6-13 ; Jao. 6. 66-71 ; 2 Tim. 2. 8-13

| | 23. Ala. VII man. Epifania
Jos. 10. 8-11 ; Lio. 4. 31-37 ; 1 Jao. 2. 12-14

Martsa: MIANTSO HO AMIN'NY FIBEBAHANA NY TOMPO

| | 02. Ala. VIII man. Epifania
Oha . 1. 20 -33 ; Mat. 3. 7-12 ; Asa 26. 19-23

| | 09. Karemy. I
2Mpa. 17. 6-13 ; Lio. 5. 27-32 ; Apo. 3. 1-6