Alakamisy 14 Septambra 2023

MATIO 4.23-25

Jesoa Kristy dia

1-Miasa ho an’ny vahoaka (and25)

Nandeha eran’i Galilia Jesoa ary niasa. Nampianatra tao amin’ny Synagoga Izy , nitory ny Filazantsaran’ny fanjakan’ Andriamanitra ary nahasitrana aretina maro . Nisongadina tamin’ny alalan’ny fampianarana ny Tenin’Andriamanitra sy ny fanasitranana ny asa nataon’i Jesoa . Nokendreny araka izany ny hahafantaran’ny vahoaka ny sitrapon’Andriamanitra sy ny fahefany .Miasa amim-pahefana i Jesoa ary miasa amin’ny alalan’ny Fanahy Masina .

2-Hatonin’ny vahoaka (and24)

Noho ny asa fanompoana izay notanterahan’i Jesoa tamin’ny alalan’ny fampianarana sy ny toriteny ary ny fanasitranana dia niely eran’i Syria ny lazany .Hany ka nentin’ny olona tany Aimny avokoa ireo nila vonjy sy fanasitranana toy ny demoniaka , ny demoniakaaa ,ny mararin’ny androbe, ny mararin’ny paralysisa.Tsy mba nolavin’i Jesoa ireo fa nositraniny .Azontsika hatonina ihany koa i Jesoa amin’ny fotoana rehetra fa Izy no manafaka antsika .

3-Arahin’ny vahoaka (and25)

Nahomby tokoa ny asa fanompoan’i Jesoa àry hita taratra tamin’ireo vahoaka nanaraka nanaraka Azy izany ,izay avy amin’ny toerana samihafa : Dekapolysy, Jerosalema ,Jodia ary avy an-dafin’i Jordana .Andeha àry hanaraka sy hanorina ny finoantsika ao amin’ i Jesoa Kristy .

Fanontaniana :

Manao ahoana ny fanompoanao sy ny fiainanao miaraka amin’i Jesoa ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2023

Oktobra: AORENO AO AMIN'NY TOMPO NY FIANAKAVIANA

| | 01. Ala XVII man.Trinite
Gen 2.18-25/ Matio 5.31-32/ Efesiana 5.22-23

| | 08. Ala XVIII man.Trinite-Radio protestanta
Deoteronomia 24.1-4/ Marka 10.2-12/ Romana 15.14-21

| | 15. Ala XIX man Trinite-Masera MAMRE
Ohabolana 3.1-12/ Lioka 2.39-52/ Efesiana 6.1-4

| | 22. Ala XX man Trinite Sampana Fifohazana FJKM
Salamo 127.1-5/ Marka 10.13-16/ Kolosiana 3.18-25

FJKM Fahazavana

FJKM ISOTRY FITIAVANA

$('p:has("+ .verset")').css( {color: "red" } );