SP 15 /FJKM Marirano Betlehema

 
NAHAVITA TETEZANA LEHIBE SY TSARA

Ao amin’ny SP Atsimon’iarivo Miray no misy azy. Efa hiditra amin’ny faha 140 taona
niorenany ity Fiangonana azo lazaina ho kely  ity. Nefa dia nahavita tetezana
mitentina 200 tapitrisa ariary eo ho eo izy ireo.  Tonga nitarika izany  Fitokanana
izany ny solontenan’ny Birao Foiben’ny FJKM, ny Sabotsy 12 Aogositra 2023 lasa
teo.. 
MAHAZATRA
Fandre sy fahita ny Fiangonana manao sekoly, toeram-pitsaboana, sns. Ao ny
manitatra trano Fiangonana, na manorina hafa vaovao mihitsy. Ity SP ity rahateo dia
efa manana fitaizana manao trano Fiangonana goavana tokoa. Fa ity FJKM Marirano
Betlehema ity dia nifidy ny hitahiry io haben’ny trano hatramin’ izay ity. 
Tsy zava-baovao  koa ny manao trano vadim-piangonana.  Efa manana ny azy ity
Fiangonana ity. Fa hafa mihitsy kosa ny hoe nanamboatra tetezana lehibe ny
Fiangonana. Tsy dia fandre loatra mihitsy kosa izany.  Heverina fa tsy asan’ny
Fiangonana izany, raha jerena ny zava-bitan’ny Fiangonana mahazatra. 
Manana Zanaka Ampielezana mafana fo sy  tia tanindrazana ity Fiangonana ity. Tao
anatin’ny herintaona mahery teo no nanaovany izao asa goavana izao.
Tsara entana tokoa ny rehetra, izay notarihan’ny komity. Koa izao no bainga
voavadika. Nampahery azy koa ny mpitondra ao amin’ny SP misy azy. 
FILAZANTSARA SOSIALY 
Filazantsara sosialy no mahalaza an’izao asa miavaka vitan’ity Fiangonana ity izao.
Zavatra ahitan’ny mpiara-belona rehetra tombontsoa mivantana. 

  • Afaka mifandray haingana sy mivezivezy ny any an-toerana sy ny zanaka
    ampielezana. 
  • Misy tombony ara-pihariana sy toekarena koa izao. 
  • Ary tsy takona afenina ny Tombontsoa ara-pitsaboana sy ara-pahasalamana,
    vokatry ny fahakaikezan’ny lalana.
    Fijoroana vavolombelon’ny fahasoavan’ Andriamanitra tafapaka any anaty
    fiarahamonina izao. Porofo fa ao amin’ny Fiangonana ny loharanon’ny
    Fampandrosoana, ny otrikery hamokarana bebe kokoa. Satria manana olona tsara
    taiza amin’ny finoana sy asa ity Fiangonana ity.
    Tsy mihidy anaty rindrina efatra ity Fiangonana ity, araka izany, fa tena mahay tokoa
    namaly ny filan’ny mpiara-belona. Ary izany no dikan’ny tenin’ny Soratra Masina
    voasoratra eo ambony alitara: « Ary eto no hanomezako Fiadanana, hoy i Jehovah ».
    Fiadanana zaraina ho an’ny mpiara-belona, mba hovonjena izy (1 Kor 10:33)
    A. Zaka, Mpitandrina

Perikopa 2023

Oktobra: AORENO AO AMIN'NY TOMPO NY FIANAKAVIANA

| | 01. Ala XVII man.Trinite
Gen 2.18-25/ Matio 5.31-32/ Efesiana 5.22-23

| | 08. Ala XVIII man.Trinite-Radio protestanta
Deoteronomia 24.1-4/ Marka 10.2-12/ Romana 15.14-21

| | 15. Ala XIX man Trinite-Masera MAMRE
Ohabolana 3.1-12/ Lioka 2.39-52/ Efesiana 6.1-4

| | 22. Ala XX man Trinite Sampana Fifohazana FJKM
Salamo 127.1-5/ Marka 10.13-16/ Kolosiana 3.18-25

FJKM Fahazavana

FJKM ISOTRY FITIAVANA

$('p:has("+ .verset")').css( {color: "red" } );