Hafatry ny Filoha / Jona 2023

VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !


Koa jereo ny zava-misy
Amin’ny toerana hiasana,
dia karohy ny fomba fiasa
mifanaraka am’izany.
Fa tsy tena hahavonto
Ny tanintsika velively
Ny fitoriana ivelambelany,
sanatria toa hoe latasy!
Fa raha zaza sy ankizy
No mameno ny tanàna
Andehanana hitoriana,
Nahoana lahy no ireo lehibe
no hany tokana ifantohan’
Ny famangiana izay atao?
Nahoana re no odian-tsy hita
Ireny ankizy maro ireny?
Fa ny tena fomba fiasa
Hahombiazantsika izao
Dia izay tena mahatratra
Ny zava-misy tena iainana!
Dia mahereza, mikaroha!
Mivavaha dia mandiniha,
dia manaova fandalinana
hitadiavam-bahaolana
amin’ny zavatra mitranga.
Fa ny tanjontsika mantsy
Tsy ny hamaroan’ny asa vita
Fotsiny ihany, fa indrindra
hamabo olona ho voavonjy!


VONTOSY FILAZANTSARA
NY NOSY MADAGASIKARA !


IRAKO AMMI

Perikopa 2023

Oktobra: AORENO AO AMIN'NY TOMPO NY FIANAKAVIANA

| | 01. Ala XVII man.Trinite
Gen 2.18-25/ Matio 5.31-32/ Efesiana 5.22-23

| | 08. Ala XVIII man.Trinite-Radio protestanta
Deoteronomia 24.1-4/ Marka 10.2-12/ Romana 15.14-21

| | 15. Ala XIX man Trinite-Masera MAMRE
Ohabolana 3.1-12/ Lioka 2.39-52/ Efesiana 6.1-4

| | 22. Ala XX man Trinite Sampana Fifohazana FJKM
Salamo 127.1-5/ Marka 10.13-16/ Kolosiana 3.18-25

FJKM Fahazavana

FJKM ISOTRY FITIAVANA

$('p:has("+ .verset")').css( {color: "red" } );