Hafatra /Sekoly FJKM

AVY AMIN’NY FOIBE FITONDRAN-TSEKOLY FJKM


Isaorana Andriamanitra noho ny fitantanany ny fiainan’ny Sekoly FJKM indrindra ny amin’izao Alahady hitrotroana amim-bavaka izao.
Isaorana ny Filohan’ny FJKM sy ireo Biraon’ny Mpiandraikitra Foibe, ireo Mpiandraikitra Foibe ny amin’ny fiheverana ny amin’ny Sekoly. Isaorana manokana ireo mpikambana eo amin’ny Foibe Fitondrantsekoly FJKM izay miara-mihevitra hatrany ny fampandrosoana ny Sekoly sy ny fiarahana manatratra ny VINA ka manao ireo ezaka rehetra hanatrarana ny TANJONA. Maneho fankasitrahana feno ireo Prezida Synodaly,ireo Talem-paritra, ireo Mpitandrina, ireo Talentsekoly sy ireo mpiara-miasa rehetra ny amin’ireo ezaka hampandrosoana ny Sekoly any ifotony. Tolorana fisaorana ihany koa ireo Ray amandreny izay nisafidy hampianatra ny zanany ato amin’ny Sekoly FJKM ary matoky ny Fanabeazana atolotry ny FJKM. Isaorana ireo Mpiombona antoka samihafa izay manohana ny asan’ny Sekoly. Isaorana ireo Fitandremana rehetra manerana ny Nosy miara-miombona amin’izao Alahady Nasionaly izao ka mitrotro amim-bavaka ary manohana ny asan’ny Foibe Fitondrantsekoly amin’ny alalan’ny rakitra. Miroso hatrany isika amin’ireo fanatrarana ny VINA sy ny fanatrarana ny TANJONA. Manamafy hatrany ny fifamatoran’ny Fiangonana sy ny Sekoly : Ny fifanohanana amin’ny alalan’ny 2%ny tetibola ho an’ireo fitandremana na manana sekoly na tsia. Fanatanterahana ireo Alahady hitondrana amim-bavaka ny TALE FPMP eny anivon’ny Synodamparitany, ny Tale eo anivon’ny Fitandremana , misy ihany koa ny natokana ho an’ireo Mpampianatra. Fananganana Sekoly ho an’ireo Fitandremana eny anivon’ny Synodamparitany ho fijoroana vavolombelona .Manamafy ihany koa ireo asa iombonantsika eto anivon’ny Sekoly :
Fanatanterahana ny adidy eny anivon’ny FPMP indrindra ny eo anivon’ny Foibe.Fanatanterahana ny Kitapo Iombonan’ny Sekoly KIS. Fandraisana anjara amin’ireo fandaminana omen’ny Foibe sy ny FPMP toy ny fiofanana sy ireo fanatsarana hatrany ny Fanabeazana atolotry ny FJKM.Miroso hatrany ihany koa isika ny amin’ny fampiatiana ireo zaza tra-pahasembanana an-tsekoly amin’ny alalan’ny Tetikasa Mahay any amin’ireo FPMP efa manatanteraka izany.Farany, mampahery sy mivavaka ho an’ireo zandry, zanaka hanala ny fanadinam-panjakana sy ireo fanadinana samihafa amin’ity taom-pianarana 2022-2023.

Manao veloma finaritra anareo amin’ny anaran’ny Tompo.

NY TONIAN’NY DEPARTEMANTAN’NY SEKOLY
Ramatoa RAKOTONDRANAIVO Domoina.

Perikopa 2023

Oktobra: AORENO AO AMIN'NY TOMPO NY FIANAKAVIANA

| | 01. Ala XVII man.Trinite
Gen 2.18-25/ Matio 5.31-32/ Efesiana 5.22-23

| | 08. Ala XVIII man.Trinite-Radio protestanta
Deoteronomia 24.1-4/ Marka 10.2-12/ Romana 15.14-21

| | 15. Ala XIX man Trinite-Masera MAMRE
Ohabolana 3.1-12/ Lioka 2.39-52/ Efesiana 6.1-4

| | 22. Ala XX man Trinite Sampana Fifohazana FJKM
Salamo 127.1-5/ Marka 10.13-16/ Kolosiana 3.18-25

FJKM Fahazavana

FJKM ISOTRY FITIAVANA

$('p:has("+ .verset")').css( {color: "red" } );