Alakamisy 18 Mey 2023

MARKA 16.19-20

Nakarina ho any an-danitra i Jesoa Kristy

1-Satria vita ny famonjena

Asehon’ity andinin-tsoratra masina eto ity fa tena asan’Andriamanitra madiodio ny mampidina ho ety an-tany sy mampakatra ho any an-danitra ; tsaroantsika ny nanjerana an’i satana ho ety an-tany (Apo 12.9) .Tsy misy voahary manam-pahefana hanao izany , eny fa na dia afaka mankeny amin’ny habakabaka aza ny manam-pahaizana ankehitriny dia tsy ho tafakatra any an-danitra velively tsy akory . Ary na i Jesoa aza dia aseho eto fa tsy hoe nanao fahagagana ka nampakatra ny tenany samirery ho any ah-danitra fa »nakarina » Izy . Làlan-jotran’ny famonjena izao voalaza eto izao ,rehefa vita ny ady eto an-tany ka maharesy ny mpanjakan’izao fahamaizinana izao ny olona , dia akarina ary apetrak’Andriamanitra amin’ny toeram-boninahitra sy toeram-pitsaharana eo ankavanany .

2-Mba hiparitahan’ny Filazantsara

Hitantsika eto ihany koa fa na dia tranga miavaka sy mahavariana fatratra tokoa aza ilay nampakarana an’iJesoa ho any an-danitra dia tsy natao hanadinoana ny baiko sy hafatra mifono adidy napetrany izany .Ireo pianatra dia nahazo baiko mazava eo amin’ny and 15 nanao hoe: « mandehana …mitoria ny Filazantsara « dia voalaza eto fa « lasa ka nitoriteny eny tontolo eny  » tokoa izy ireo .Ary ny fanatanterahana ny baoikon’iJesoa amin’ny fitorianany Filazantsara no ahitana sy ahatsapana fa tsy mandeha irery na oviana na oviana ny mpitory fa tanterahan’i Jesoa amin’ny alalan’ny Fanahy Masina ny fampanantenany ny amin’ny fombàny mandrakariva .

Fanontaniana:

Mba efa isan’izay manaparitaka ny Filazantsara ve ianao sa mbola variana ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2023

Jona: IORENAN'NY FAHAFAHANA NY TOMPO

| | 04. Ala.Trinite
Mpits 4.14-24/ Jao 8.31-38 / Asa16.16-24

| | 11. Ala.II man. Trinite - SEKOLY FJKM
Sal 66. 8-12 / Jao 8.1-11 / Asa 16.25-34

FJKM Fahazavana

Andriamanitra miasa ny Fanahy Masina