Alarobia 25 Janoary 2023

JAONA 10.20-26

Fantaro ny teny sy asan’Andriamanitra

1-Izy no mampahiratra ny jamba

Anisan’ny mampiavaka ny Filazantsara araka ny Jaona ny fampiasan’i Jesoa ny teny hoe: « Izaho no ».Ny fito amin’izany diia ilazan’i Jesoa Kristy ny tenany .Ny toko faha-10 dia ilazany fa Izy no mpiandry tsara ,ary izany Teniny izany no nahatonga ny olona sasany izay nihaino hanasoketa Azy hoe : « manana demonia Izy ».Mazava anefa fa ny filazan’i Jesoa Kristy ny tenany mivantana tahaka izany ,satria mikendry indrindra ny hampahiratana an’izao tontolo izao ho afaka amin’ny fahajamban’ny finoana an’i Jesoa ,Ilay « Teny tonga nofo ka nonina tamintsika ». Tsy tenin’olombelona tsotra fotsiny izao Tenin’i Jesoa izao ,fa nanamarina ny maha-Andriamanitra Azy , satria Andriamanitra irery ihany no « mpiandry ny olony« . I Jesoa Kristy no manafaka antsika amin’ny fahamaizinana ho amin’ny fahazavana .

2-Ny devoly kosa manajamba ny mahiratra

Ny fisalasalana no fitaovam-piadiana eo an-tànan’ny devoly ,hitarihany ny olona ho amin’ny fahajambana.Nisy tamin’ireo Jiosy izay nohaino an’i Jesoa Kristy no voasarika tamin’izany ka lazain’izy ireo fa i Jesoa indray no mampisalasala azy ireo : »ambara-paoviana no hampisalasalanao anay? » Vokatr’izany dia voalaza eto fa na dia teo aza ny fampahiratan’i Jesoa Kristy azy ireo tamin’ny alalan’ny asa nataony tamin’ny Anaran’Andriamanitra Ray manambara ny maha-Kristy Azy dia tsy hino izy ireo fa tonga maizin-tsaina .

Fanontaniana :

Ankoatra ny fisalasalana , inona avy koa no paikady ampiasain’ny devoly hanajambana ny olona ankehitriny ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2023

Febroary: NY FAHEFAN'NY TENIN'ANDRIAMANITRA

| | 05. Ala. V man.Epifania
Zak 1.1-6/ Mar 1.21-28 / Heb 1.1-4

| | 12. Ala.VI man.Epifania-Alahadin'ny Baiboly
1Mpan 13.1-6 /Lio 8.22-25/ 2 Tim 3.14-17

| | 19. Ala.VII man Epifania -Arsiva FJKM
Eks 20.18-26 / Jao 12.44-50 / Asa 19.11-20

| | 26. Karemy I
Deo 18.20-22 / Mar 2.1-12/ Heb 4.12-13

FJKM Fahazavana

Alahady 29 Janoary 2023