Tononkalo/ Ry FJKM…

RY FIANGONAN`I JESOA



Isika izao no ilay ambara ho Fiangonan`i Jesoa,

Fa tsy ny vatan-trano loatra izay miorina eto an-dasy.

`Ndao hifampitantana àry mba ho irany tokoa,

Ka dia ho Izy irery ihany no hotompoin`ny Malagasy.



Aoka atsahatra ny ady, foanana ny disadisa.

Ny firaisana no hery, hoy ny teny mahavantana.

Lala-marina no hany hitondra ho any am-paradisa,

Ka meteza isika mpino hijoro sy hifampitantana.



Jesoa Tompo no mitarika, aoka isika hifantoka aminy.

Aoka tsy hiherikerika, roso isika, lasa izao.

Izany baikony henoy no sady araho ny rindrandaminy,

Dia isika no handova ilay fiainam-baovao .



                  SEDERA  RAVALISON (29-12-22)

Perikopa 2023

Oktobra: AORENO AO AMIN'NY TOMPO NY FIANAKAVIANA

| | 01. Ala XVII man.Trinite
Gen 2.18-25/ Matio 5.31-32/ Efesiana 5.22-23

| | 08. Ala XVIII man.Trinite-Radio protestanta
Deoteronomia 24.1-4/ Marka 10.2-12/ Romana 15.14-21

| | 15. Ala XIX man Trinite-Masera MAMRE
Ohabolana 3.1-12/ Lioka 2.39-52/ Efesiana 6.1-4

| | 22. Ala XX man Trinite Sampana Fifohazana FJKM
Salamo 127.1-5/ Marka 10.13-16/ Kolosiana 3.18-25

FJKM Fahazavana

FJKM ISOTRY FITIAVANA

$('p:has("+ .verset")').css( {color: "red" } );