Alatsinainy 23 Janoary 2023

ISAIA 64.7-11

Ny asan’Andriamanitra eo amin’ny olona

1-Manefy sy mamolavola

Ao anatin’ny fiaiken-keloka nataon’ireto vahoaka Jiosy no hahatsiarovan’izy ireo fa zanak’Andriamanitra sady asan’ny tànan’Andriamanitra izy ireo .Nihatra tamin’izy ireo tokoa mantsy ny fahatezeran’Andriamanitra nohon’ ny ditran’ny fony sy ny fanadinoany fa Andriamanitra no nanao azy ho firenena .Izao izy ireo vao tonga saina ka nangata-pamelana .Tsaroan’izy ireo indrindra rehefa nitodika tamin’Andriamanitra fa tsy afa-misaraka amin’ilay Andriamanitra ny fiainany ,toy ny tanimanga izay tsy afa-manao na inona na inona amin’ny herin’ny tenany samirery , fa rehefa manaiky hovolavolain’ny « mpanefy« azy kosa dia tonga fanaka sarobidy sy mahavita asa tsara .

2-Mananantra sy mitaiza

Ahariharin’izao Tenin’Andriamanitra izao fa zava-doza tokoa ny fahatezeran’Andriamanitra rehefa mihatra amin’izao tontolo izao . Faharavana sy fahoriana no aterak’izany ,nefa koa ho fitaizana no anton’izany rehetra izany ,satria « ny zanaka tiana no anarina sy faizina » .Araka izany dia aoka hotsaroantsika mandrakariva fa mamela malalaka antsika hisafidy izay fiainana tiantsika Andriamanitra ,fa tsy mankasitraka ny barahanahiny sy ny fanaranam-po amin’ny ratsy ka dia mananatra sy mitaiza antsika Izy. Zava-doza rahateo ny ho azon’ny tànan’Andriamanitra . Koa aza miandry ho donan’ny fahatezeran’Andriamanitra vao hahatsiaro tena hiala amin’ny ratsy.

Fanontaniana :

Tsapantsika ve ny fitiavan’Andriamanitra miseho amin’ny fananarany antsika ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2023

Febroary: NY FAHEFAN'NY TENIN'ANDRIAMANITRA

| | 05. Ala. V man.Epifania
Zak 1.1-6/ Mar 1.21-28 / Heb 1.1-4

| | 12. Ala.VI man.Epifania-Alahadin'ny Baiboly
1Mpan 13.1-6 /Lio 8.22-25/ 2 Tim 3.14-17

| | 19. Ala.VII man Epifania -Arsiva FJKM
Eks 20.18-26 / Jao 12.44-50 / Asa 19.11-20

| | 26. Karemy I
Deo 18.20-22 / Mar 2.1-12/ Heb 4.12-13

FJKM Fahazavana

Alahady 29 Janoary 2023