Alahady 22 Janoary 2023
JEREMIA 10.6-13
Ny fahalehibiazan’Andriamanitra
Nanjary naka tahaka sy te- hanaony fanaon’ny Jentilisa manompo sampy ny Zanak’Israely ka teo anoloan’izany dia nampitondra hafatra ho azy Andriamanitra .
1-Izy ilay tapitra ohatra
Lehibe sy mahery ny Anarany ary tononina am-panajana sy am-pinoana fa tsy natao ho tonontononim-poana. »amin’ny Anarany no handohalehan’ny lohalika rehetra« .Lehibe ny fanjakany sady maharitra mandrakizay,ary Izy irery no mendrika atahoran’ny mpanjaka sy ny firenena rehetra eto ambonin’ny tany .Ny fahatahorana Azy no tena fahendrena fa izay heverin’izao tontolo izao ho fahendrena ka ireharehany fatratra dia fahadalana eo anatrehan’Andriamanitra .Lehibe ny asany satria Izy no fiandohana sy fiafaran’ny zava-drehetra ,fa tsy mba nataon-tànana toy ny sampy samihafa.
2-Miantoka ny fiainan’izao tontolo izao
Tena mampiavaka tanteraka an’Andriamanitra Mpahary ny asany eo amin’ny voahariny .Voalaza eoamin’ny and 12-13 izany ,ary azo fintinina amin’ny hoe: Andriamanitra miahy sy mikarakara izao tontolo izao .Anisan’ny singa roa lehibe manan-danja tokoa eo amin’ny fiainan’izao tontolo izao ny rano sy ny rivotra ary lazain’ny Soratra Masina eto fa Andriamanitra no mitahiry ka mamoaka izany avy ao amin’ny firaketany : »Mampirohondrohona ny rano any an-danitra Izy …manaony helatra ho amin’ny ranonorana Izy ,sady mamoaka ny rivotra avy amin’ny firaketany »
Fanontaniana:
Nahoana no mbola miala amin’Andriamanitra ihany izao tontolo izao ,na dia efa ampahafantarina azy aza Izy?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM