Zoma 20 Janoary 2023
MATIO 11.25-27
Andriamanitra no loharanon’ny fahazavan-tsaina
Nisy tanàna maro na dia nanehoan’i Jesoa Kristy asa lehibe aza dia tsy tonga tamin’ny finoana Azy .
1-Hendry amin’ny sitrapony
Rehefa avy nilaza ny alahelony ny amin’ireo tanàna izay tsy nandray Azy na dia nanaovany asa mahagaga maro aza i Jesoa Kristy ka nampahatsiaro fa ho loza no hahazo azy ireo amin’ny fitsaran’Andriamanitra , dia indro Izy midera an’Andriamanitra noho ny fahatsapany ny fahendrena lalina sy saro-pantarina amin’ny sitrapon’Andriamanitra .Ary asehon’i Jesoa Kristy eto fa ny tokony hatao manoloana izany dia ny manaiky : »Eny Raiko , fa izany no sitraponao » .Tsy voatery ho takatry ny saina sy ho fantatra avokoa ny sitrapon’Andriamanitra fa ny anjarantsika dia ny manaiky sy mankato.
2-Miafina nefa aseho am-pitiavana
Eo anatrehan’Andriamanitra ,isika olombelona dia toy ny tanimanga eo an-tànan’ny mpamolavola azy , izany hoe: tsy afaka hahalala izay tian’ilay mpamolavola hanaovana azy .Anisan’ny nahatongavan’i Jesoa Kristy tety an-tany ,araka izany ny hitarika antsika olombelona ho amin’ny fahalalana tsara an’Andriamanitra araka izay tena isehoany , fa tsy araka izay ezaky ny fisainana maha-olombelona fotsiny ihany .Tsy natao ho an’ny rehetra anefa izany fanehoana an’Andriamanitra izany fa ho an’ny zanaka sy izay tian’ny zanaka hanehoana azy « ihany .Koa meteza ho zanak’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy mba ho isan’izay « zaza madinika » mahalala tsara ny amin’Andriamanitra.
Fanontaniana :
Inona no hatao mba ho to,ga zanak’Andriamanitra ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM