Alakamisy 19 Janoary 2023

APOKALYPSY 15.1-4

Ny fisehoan’Andriamanitra

1-Faharavana sy loza ho an’izay resy

Araka izao fahitana ambaran’ny mpanoratra ny Apokalypsy izao dia efa misy loza tena lehibe sady mahatsiravina entin’Andriamanitra maneho ny fahatezerany .Raha milaza ny hoe: « loza fito » mantsy ny Soratra masina eto dia tsy manondro isa izany ka ilazana hoe : tsy ampahafirin’ny « loza folo » tamin’ny andron’i Farao izany , fa isa fito milaza fahafenoana tanteraka .Tsy ny rehetra kosa anefa no hiharan’izany ,fa izay rehetra manamafy ny fony ka tsy mety mankato ny Tenin’Andriamanitra tahaka ireo Egyptiana hitantsika ao amin’ny Eksodosy 7.11.Tsy fampitahorana fotsiny araka izany izao teny izao fa fampandinihan-tena antsika mba tsy ho isan’izay hanaiky ho resin’ny satana ,satria loza no miandry izay toy izany .

2-Fiderana sy fihobiana ho an’izay maharesy

Hita ka ambara eto koa ny amin’ireo rehetra izay naharesy an’i satana ka manana anjara toerana ao amin’ny famirapiratan’ny voninahitr’ Andriamanitra : « Teo amoron’ny ranomasina fitaratra , nitana ny lokangan’Andriamanitra  » Ary ny ataon’izy ireo eo amin’izany toeram-boninahitra misy azy ireo izany dia « mihira ny fihiran’i Mosesy , mpanompon’Andriamanitra sy ny fihiran’ny zanakondry ».Ry havana ,izay rehetra naterak’Andriamanitra no maharesy izao tontolo izao , ary ho anao izay manaiky fa zanak’Andriamanitra amin’ny alalan’i Jesoa Kristy dia iaino dieny izao ny fiderana Azy.

Fanontaniana :

Misy fetrany sy fotoana voatokana ve ny fiderana an’Andriamanitra ? Hazavao

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV