Alarobia 18 Janoary 2023
SALAMO 33.4-11
Mendrika hoderaina Andriamanitra
1-Satria Mpahary Izy
Ny and 4-9 dia maneho fa ny teny sy n’y asan’Andriamanitra no nahariana izao rehetra izao ,dia ilay Teny mahitsy sy marina ary ara-drariny sy feno famindrampo arahan’ny asa mahatoky sy mahatahotra ary mahatalanjona mandraka ity ny androany .Anton-javatra lehibe tokony hiderana Azy Andriamanitra Mpahary tokoa izany . Fa na dia mahavariana aza anefa ny asa-tànan’Andriamanitra dia tsy tokony hadinointsika fa Izy ilay mpanao ny asa no lehibe lavitra sy mendrika hoderaina mandrakizay ,mihoatra izany asa nataony izany .Ho amin’izany fiderana izany rahateo no nahariana antsika (Isa 43.21);
2- Satria mihevitra ny voahariny Izy
Tsy vitan’ny hoe : Mpahary fotsiny Andriamanitra dia izay, fa sady mahary Izy no miahy ny voahariny ary izany no tena mampiavaka Azy amin’ny mpamoron-javatra hafa rehetra . Ary izany fiheveran’ Andriamanitra ny voahariny izany dia voalaza eto fa tsy ao anatin’ny fotoana mandalo na voafetra fa « ny hevitry ny fony mahatratra ny taranaka fara mandimby ». Ambaran’ny Soratra Masina eto ihany koa fa ananany fahefana tanteraka ny manafoana sy manao ho tsinotsinona ny fisainana sy fihevitry ny olona ,indrindra raha mitarika ho amin’ny fandavana Azy izany .Hitantsika ohatra ny tantaran’ilay tilikambo tao Babela (Gen 11) . Koa asandrato ny fiderana feno fankasitrahana fa mendrika Azy izany .
Fanontaniana :
Inona avy no azontsika hanehoana ny fideran’Andriamanitra ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM