Alahady 25 Desambra 2022

LIOKA 1.26-33

Ny fahaterahan’I Jesoa

1-Fahasoavana

« Arahaba r’Ilay nohasoavina , ny Tompo momba anao”

Asehon’I Lioka mpanoratra ny Filazantsarany  ny fisian’ny zavatra roa izay samy mahagaga amin’izao  fahaterahan’I Jesoa izao . Ny  voalohany  amin’izany  dia ny  amin’I Elizabeta vehivavy  momba  sady efa antitra  kanefa dia hanana anaka ; ny faharoa  dia Maria , vehivavy virjiny , kanefa mitoe-jaza. Asehon’ireo  zavatra roa ireo fa raha nanomana ny fahaterahan’I Kristy  Andriamanitra dia te-haneho  amintsika  fa tsy misy  zava-mahagaga izay  tsy hainy atao. Ary ny Anarany rahateo dia nantsoin’ny Mpaminany Isaia hoe: “Mahagaga” (Isaia 9.5).Tsy  hitantsika eto  izay ambaran’ny mpanoratra  momba an’I Maria ankoatra ny hoe: virjiny ,fofombadin’I Josefa monina any Nazareta.Tsy miankina amin’izay momba ny olona ny safidin’Andriamanitra ny hahaterahan’ny zanany  fa azy samirery.Tsy  nanam-po  ny hahatongavan’izao  toe-javatra izao I Maria (and29)

2-Fiandohan’ny fanjakan’Andriamanitra

Ary  hanjaka amin’ny taranak’i Jakoba mandrakizay Izy ,ary ny fanjakany tsy hanam-pahataperana” (and33) .Nahazo toky  I Maria rehefa nilazan’ny anjely taminy  fa efa nahita fitia tamin’Andriamanitra izy (and30) ;  Izany hoe: tombotsoa avy amin’Andriamanitra ny fanekena ho teraka  ao aminy .Ary ny zaza izay hateraka dia “zanaky ny avo indrindra” ho  mpanjaka mandrakizay .Tsy tokony  ho  fahazarana fotsiny  ho an’ny fiangonana ny fankalazana ny krismasy , fa io  no fotoana mety indrindra hanekena an’I Jesoa ho mpanjaka mandrakizay ,hanapaka ao am-po   amin’ny androm-piainantsika rehetra .Ny fanekentsika izany  no fiandohan’ny  fanjakan’Andriamanitra .

Fanontaniana :

Inona ny fahasoavana horaisinao amin’ity anio ity ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV