Talata 06 Desambra 2022

JAONA 19.6-11

Ny fitsaran’ny tany

Notsarain’i Pilato i Jesoa Kristy

1-Tsy manana fahefana amin’i Jesoa Kristy

« ianao tsy manana fahefana Amiko akory » .Tsy hitan’i Pilato izay mahameloka an’i Jesoa Kristy. Te-handefa Azy saingy tsy sahy manapa-kevitra.Tetsy andaniny ireo tomponandraikitra ara-pivavahana Jiosy dia nikendry ny hamonoana Azy, ka toa manery an’i Pilato hamoaka izany didy fanamelohana ho faty izany .Maneho ny saritsarim-pahefana nananany i Pilato ka indro niala nenina nanontany Azy,milaza fa afaka mandray fanapahankevitra ny Aminy (and8-10).Mazava anefa ny tenin’i Jesoa Kristy .Izy no Tompon’ny fanjakana , ny fahefana rehetra ka tsy manana fahefana Aminy iPilato .

2-Manatanteraka ny drafitr’Andriamanitra

« raha tsy nomena anao avy any ambony « .Tompon’ny fahefana rehetra Andriamanitra.Izy no nanolotra sy manome izany ho an’izay tiany hanatanteraka ny sitrapony .Hamoaka didy ihany iPilato ny amin’ny fanamelohana an’i Jesoa Kristy , ny hanomboana Azy amin’ny hazo fjaliana ,tsy fahefana araka ny maha-mpanjaka azy anefa izany fa Andriamanitra no manolotra izany ho fanatanterahana ny sitrapony .Avelan’Andriamanitra hotsarain’olombelona mpanota ny zanany , nekeny ny fanamelohana ho faty teo amin’ny hazo fijaliana fa izany no làlan-tokana ho famonjena , ho fanafahana ny olona amin’ny fahotana sy ny fahafatesana .

Fanontaniana:

Diniho ireo dingana nentina nitsarana an’i Jesoa Kristy teo amin’ny fiaraha-monina Jiosy sy ny fanjakana Romana .

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV