Sabotsy 19 Novambra 2022

APOKALYPSY 16.12-16

1- Ka aza manamafy fo hiady amin’Andriamanitra ( and14)

« …mba hanangona azy ho amin’ny andro iray lehiben’Andriamanitra ». Ity toko ity dia manohy ny fitantarana ilay fahitana hitan’i Jaona Apostoly momba ny lovia fito feno fahatezeran’Andriamanitra manambara ny fiafaran’ny fanenjehana ny fivavahana kristiana tamin’ny andron’ilay amperora Romana Néron sy ny fiafaran’izao tontolo izao izay mbola ho avy . Ireo fanahy maloto tahaka ny sahona dia fanahy nankao amin’ireo mpanjaka amin’izao tontolo izao hanangona azy ireo ho amin’ny ady ifanaovany amin’Andriamanitra .Mahavariana tokoa izany fa raha ny nataon’io dragona io izay mampahory ny kristiana dia tokony ho nibebaka izy raha tonga ny fahatezeran’Andriamanitra , saingy vao mainka nihamafy ny fony satria nohamafisin’Andriamanitra (Isa 6.10) .Meteza hibebaka!

2-Ka arovy ny akanjonao tsy ho voaloto mba ho mariky ny fahavononana (and15)

« sambatra izay miambina ka miato ny fitafiany…« . Ny miambina dia izay miaritra tsy manota , izay mariky ny loto mety handoto ny akanjo ka mety tsy hahavonona ny fandehanana tampoka , satria ho tampoka ny fiavian’ny Tompo , araka izay ambaran’ny Apokalypsy 3.3 « Koa raha tsy hiambina ianao dia ho tonga tahaka ny fiavian’ny mpangalatra aho... ».Maro ny mety handoto ny fitafiana eto ; ao ny tsy faharetana ka mety hiteraka fanomezan-tsiny an’Andriamanitra sy fihemorana , ny fahotana efa fantatra amin’ny maha- fahotana azy moa dia tsy tenenina intsony .Tandremo fa tokony hiambina mafy isika ka tsy handoto ny fitafiam-panahintsika amin’ireo fahotana matetika mpahazo antsika .Aoka ho vonona mandrakariva.

Fanontaniana:

Vonona àry ve isika raha tonga izao ny Tompo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV