Radio Fahazavana /Ivony 25T

RADIO FAHAZAVANA

Nanamarika ny Ivon’ny jobily faha-25 taona

Tamin-kafaliana lehibe no nanamarihan’ny teo anivon’ny Radio Fahazavana sy ny mpankafy azy ny ivon’ny Jobily Fankalazana an’Andriamanitra noho ny faha-25 taona niorenany. Fotoana nokarakarain’ny komitin’ny fankalazana sy ireo mpiara-miasa rehetra eo anivon’ny Radio Fahazavana sy ny AFIFAB-FJKM. Fotoana izay notanterahana tao anatin’ny roa andro nifanesy.

Ny Sabotsy 17 Septambra 2022 teo amin’ny tokontanin’ny FJKM Ambatonakanga. Hetsika iray nantsoina hoe “Tontolo andron’ny Radio Fahazavana”. Nifamotoana teny avokoa ny Mpiasan’ny Radio Fahazavana rehetra (mpanentana fandaharana, mpanao fandaharana, mpanao gazety…) sy ny mpihaino. Natao hanomezana fahafaham-po ny mpihaino ity fotoana  ity noho izy nandraisan’ireo mpiantso isa-maraina ao amin’ny fandaharana « Revorevo isa-maraina mivantana ». Tonga teny an-toerana ihany koa anefa ireo tompon’andraikitra sy mpanolotra fandaharana vitsivitsy toy ny “Inty aho, iraho aho”, « fafana« ny “Mofonaina”, ny “Misia Mazava”… sy ireo hafa koa. Nelanelanin’ny fanompoam-pivavahana tamin’ny 12 ora ny fotoana ny izay natao koa hoe : “Mofonaina Mivantana”. Nofaranana tamin’ny fandidiana sy fizarana mofomamy ny fotoana iny tontolo andron’ny sabotsy iny. Nitohy ny tolakandron’ny Alahady 18 Septambra 2022 ny fotoana. Fanompoam-pivavahana nialohavan’ny antsa an-kira fanomanam-panahy niarahana tamin’ny « Orimbato – Tranovato Ambatonakanga« , « Ny Riam-peo » FJKM Ambatobe, Ny Art’Fahazavana ( Ekipa Mpiasa ao amin’ny radio Fahazavana). Tonga teny an-toerana nisolo tena ny Birao Mpiandraikitra Foibe Atoa RAMAMONJISOA Georges Henri Mpanolotsaina eo anivon’ny BMF. Nisongadina tamin’ny teny nataony fa an’ny Fiangonana ny Radio Fahazavana ka mila tohanan’ny Fiangonana ary ireo Mpiasa ihany koa dia mila mamaly ny filan’ny Mpino amin’ny maha- Fiangonana azy ary hitandrina izay tsy hahasimba ny Fotom-pinoan’ny rehetra. Nanotrona ny fotoana ihany koa no nisolo tena ny Fitondram-panjakana, Rtoa RAMANANA Fiainantsoa Solombavambahoakan’i Madagasikara. Araka ny nambaran’Atoa RAZAFINDRAKOTO Andriambalohery Hasinarivo, Mpitandrina, Filohan’ny Komitin’izao Fankalazana izao, dia mbola mitohy hatrany ny foton-jobily fa ivony ihany iny natrehina ny 17 sy 18 Septambra 2022 iny.

Ryja kely

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV