Alatsinainy 19 Septambra 2022

2 KORINTIANA 13.5-10

Ny mpanompon’Andriamanitra mikely aina amin’ny fitoriana ny Filazantsara

1-Mitarika sy mampirisika ny mino handini-tena mandrakariva

Tsy mitory fahatany ny Filazantsara akory i Paoly fa misy tanjona goavana kendreny amin’izany, dia ny itoeran’ny olona amin’ny finoana sy hiorenany amin’izany. Tsy misy dikany ny Filazantsara torian’ny Fiangonana raha tsy mampiorina ny olona amin’ny finoana. Zava-dehibe ao anatin’izany ny fampahafantarana ny mino fa ao anatiny i Jesoa Kristy, raha tsy olona nolavin’ny Tompo izy. Tsy ny hitaona ny olona ho mpanaraka ny mpitory Filazantsara no tena tanjon’ny irak’ iKristy fa ny hahatonga ny olona hiorina amin’ny finoana ka ho voavonjy .Izany no mahatonga ny tena mpitory Filazantsara hanao ho zava-dehibe ny fitarihana sy fampirisihana ny olona handini-tena ny fitarihana sy fampirisihana ny olona handini-tena mandrakariva na mitoetra amin’ny finoana izy na tsia .Ny finoana mantsy no namonjena antsika , hoy ny Soratra Masina.

2-Dia mijoro vavolombelona eo anatrehan’ny olona ny maha-olomboafidin’i Kristy azy (and7)

Niezaka nijoro tamin’ny maha- irak’iKristy azy i Paoly. Manana fanantenana izy araka ny hita eto (and.6). Nijoro ho vavolombelon’izany izy ary nasehony tamin’ny asa fitoriana nataony fa ao anatiny i Kristy .Noho izany dia olonolom-poana izy na olona nolavin’ny Tompo (olona tsy ekeny) fa tena iraka marina avy Aminy hitory ny Filazantsarany .Araka izany dia zava-dehibe eo amin’ireo mikely aina aamin’ny fitoriana ny Filazantsara velona eo anatrehan’ny olona ny toetra aseho , fiainana manontolo mba tsy hisalasalan’izay mihaino ny Filazantsara toriany.

Fanontaniana :

Ampy ho tanjona eo amin’ny fitoriana ny Filazantsara ve ny fikendrena izay hahatonga olona ho maro ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV