Sabotsy 17 Septambra 2022
ASAN’NY APOSTOLY 14.11-18
Ny mpanompon’Andriamanitra mikely aina amin’ny fitoriana ny Filazantsara
1-Momba azy ny Tompo
Ny fahombiazan’ny fitoriana ny Filazantsara nataon’i Paoly sy Barnabasy no tantaraina eto . Noho ny fatokian’ireto Apostoly ireto , ny Tompo dia nitory tamin’ny fahasahiana izy ireo , naneho famantarana sy fahagagana maro .Betsaka ireo nino sy resy lahatra .Nisy koa anefa ny nanohitra azy ireo ka nitora-bato sy nikasa hamono hahafaty azy (and19) . Niaro azy ny Tompo ka velona soamatsara izy ireo , ary afaka niverina nampahery ny olona hiorina amin’ny finoana .Misy mandrakariva ny sakana amin’ny fitoriana ny Filazantsara , saingy ny Tompo momba sy miaro nynmpanompony ka mitahy ny asany .
2-Manetry tena eo anatrehan’nyTompo
Miharihary sy tsy takona afenina ny fahombiazan’ny fitoriana ny Filazantsara izay nataon’i Paoly sy Barnabasy .Nisy aza ny nihevitra azy ireo ho amin’ny toeran’Andriamanitra noho ny fahombiazana teo amin’ny asa fitoriana nanirahana azy ireo . Tamin’ny fanetrentena no nanaovana ny asa ary nataony dia ny hitaona ny mpihaino hanompo an’Andriamanitra velona izay Tompon’ny lanitra sy ny tany , Ilay mitahy ny fiainan’ny olona , manome ny mahasoa azy ka hiala amin’ny fanompoan-tsampy.Koa mahaiza manetry tena eo amin’ny asa fanompoana .Ialao ny fireharehana fa izay manetry tena no hasandratra .
Fanontaniana:
Inona no mampirehareha ny olona eo amin’ny fiainany ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM