Alakamisy 15 Septambra 2022
MATIO 26.36-46
Ny vavak’i Jesoa Kristy tamin’ny ady ara-panahy nahazo Azy
1-Maneho fankatoavana ny sitrapon’ny Rainy
Fadiranovana loatra ny fanahin’i Jesoa . Niankohoka nivavaka tamin’Andriamanitra Ray Izy .Fantany fa hain’Andriamanitra ny zavatra rehetra satria manana fifamatorana tsy azo tononina Izy sy ny Ray , ka hoy izy hoe : « Ray o ! raha tsy azo esorina ity fa tsy maintsy hosotroiko , dia aoka ny sitraponao no atao (and42) . Na dia ory indrindra aza ny fanahin’i Jesoa dia naneho ny fanjaan’ny Rainy hatrany ny vavaka nataony . Nampianatra antsika hivavaka koa i Jesoa hoe : … »Hatao anie ny sitraponao » (Mat 6.10) .Vavaka feno fianam-pianakaviana no tian’Andriamanitra , ary handeha samy hanaiky ny sitrapony hatrany isika eo amin’ny fiainantsika .
2- Nahazoany hery
Voalaza eto fa intelo nivavaka Jesoa , nandresy ny horohoro ary nanaiky ny sitrapon’Andriamanitra hatrany Izy .Niroso tamin’ny fahatoniana hanatona ireo nanenjika Azy, ka hoy izy tamin’ny mpianatra : « Mitsangana , andeha isika , indro efa akaiky ilay mamadika ahy » (and46) .Ny fihaonany tamin’Andriamanitra no nahazoany fandresena sy fahombiazana .Afaka niatrika ny fijaliana sy ny fahoriana , eny manaiky hatramin’ny fahafatesana aza .Tsy nihemotra Izy tamin’ny ady natrehany arakaraka ny nandrosoany hery. Ianao koa , mandrosoa fa aza mihemotra . Aoka hilofo amin’ny vavaka satria ny vavaka no vahaolana tokana handresena . « Fa miambena ka mivavaha mandrakariva mba hahery ianareo » (Lio 21.36)
Fanontaniana:
Manao ahoana ny fatokisanareo ny herin’ny vavaka ?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM