Radio Fahazavana/Ivon-jobily 25 T
IVON’NY JOBILY VOLAFOTSY RADIO FAHAZAVANA
(1997 – 2022)
“Mitsangàna, mihazavà, fa tonga ny fahazavanao” Isa. 60: 1

Fifaliana ho an’ny Komitin’ny “Jobily Volafotsy RADIO FAHAZAVANA” sy ny AFiFab-FJKM ny manasa antsika rehetra hiara-hankalaza an’Andriamanitra ny Ivon’ny Jobily izay atao amin’ireto daty manaraka ireto:
- Sabotsy 17 septambra 2022 tontolo andro (amin’ny 9 ora): “RADIO FAHAZAVANA en live”, ka hanokafana ho antsika rehetra ny “Radio”, miainga avy eo amin’ny FJKM Ambatonakanga. Hisy ny hetsika samihafa ho fitadiavam-bola entintsika hanohanana ny Radio Fahazavana amin’io fotoana io.
- Alahady 18 Septambra 2022 tolakandro (amin’ny 1 ora tolakandro): Fanompoampivavahana fisaorana sy fiderana an’Andriamanitra, Ivon’ny Jobily, ao amin’ny FJKM Ambatonakanga.
Hisy ny “VALOMPIN-JOBILY” entitsika hanohanana ny “Radio” amin’ireo fotoana ireo ary manantena ny fahatongavantsika maro hifanohana sy hifanampy satria antsika rehetra ny “Radio Fahazavana”.