Teny soa mahafaly

Zoma 02 Septambra 2022

Mikeleza aina amin’ny asa fitoriana hananao satrok’andriana

Isa 62.1-5

Ho antsika mipetraka sy zatra amin’ny tany entina Filohan’ny Repoblika izany hoe fidina ny mpitondra fa tsy entina Mpanjaka izany hoe ifandovana ny fitondrana, dia toa tsy misy lanjany loatra izany hanao satrok’andriana. Fa marihana tsara kosa anefa fa any amin’ny Firenena entina Mpanjaka, izay mbola misy 44 amin’izao taona 2022 izao dia tena tombony ny anana satrok’andriana satria:

1-Mariky ny ezaka vitanao izany (and 1-3)
« Ny firenena hahita ny fahamarinanao, ary ny mpanjaka rehetra hahita ny voninahitrao; dia homena anaram-baovao ianao, Izay hotononin’ny vavan’i Jehovah; 3Ka dia ho tonga satro-boninahitra eo an-tànany ianao sy satrok’andriana eo am-pelatanan’Andriamanitrao« 

Tsy maintsy notoriana tamin’ny Firenena maro ny fahamarinan’I Jehovah na dia tany ampahababoana aza ny Israely , ka tafaverina soamantsara. Marobe ny Firenena niaraka babo taminy tany ka rehefa nikely aina nitory izany ny mpaminany, dia nahita ny fahamarinan’Israely sy ny fahamarinan’I Jehovah. Dia satrok’andriana nomena ho fankasitrahana azy.

Isika koa raha tena miezaka mitory an ‘I Jesoa dia mampiseho ny fahamarinan’I Kristy na amin’ny Malagasy na amin’ny Sinoa, na amin’ny Karana na Vazaha na hafa koa dia manana ny valisoa homen’I Kristy tandrify izany araka ny Lio 18.29-30.

2-Mariky ny maha-mpandova fiainana mandrakizay izany (and 4-5)
 
« Hianao tsy hatao intsony hoe nafoy, ary ny taninao tsy hatao intsony hoe Lao fa ianao hatao hoe Ilay sitrako, ary ny taninao hatao hoe Vady ampakarina; Fa sitrak’i Jehovah ianao, ary ny taninao hampanambadina. 5Fa tahaka ny zatovo mampakatra virijina ho vadiny no hampakaran’ny mponina aminao anao; ary tahaka ny fifalian’ny mpampakatra amin’ny ampakariny no hifalian’Andriamanitrao aminao. »(and4) 

Tsy ny olona rehetra akory no mahazo manao ny satrok’andriana, fa ny olona voatokana sy notsongaina irery ihany, ka hananany zo tsy hananan’ny vahoaka tsotra izany, na eo amin’ny lafiny hetra , na eo amin’ny lafiny fananan-tany sns,ary handova ny fanjakana raha teo izy. Ary dia ny fahasambaran’ny olona mahazo vady sy mampakabady no hanoharan’ny Soratra Masina izany valisoa homena ny olona mazoto mikely aina amin’ny fitoriana ny Filazantsara. Ary any amin’ny Apok rahateo dia hamafisin’I Jesoa izany.

Koa ianao izay nino sy tena efa nikely aina nitory an’I Kristy dia tadidio fa efa eny andohanao ny satrok’andriana, maha -zanak’Andriamanitra mpandova ny fianana mandrakizay anao, koa tano mafy izay anananao, mba tsy hisy haka ny satroboninahitrao. Apo 3.11.

Raiso àry ny satroka andrinanao , fa efa natolotry ny Tompo Jesoa ho anao nikely aina amin’ny fitoriana ny Filazantsara izany.

Ndrianja RAKOTONDRABE ANDRIANAHARIJAONA ,Mpitandrina

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV