Alatsinainy 15 Aogositra 2022

Asan’ny Apostoly 16.25-34

Ny namonjen’ny Tompo ilay mpiandry tranomaizina

1- Manana lalam-pamonjena ho an’ny olona ny Tompo.

Voalaza eto fa natao tao an-tranomaizina tany anatiny indrindra i Paoly sy i Silasy ary nobolokiana mafy ny tongony mba tsy ho afaka hitsoaka mihitsy. Amin’izany toe-javatra izany dia mihevitra ve « ilay ratsy » fa mandresy ny herin’Andriamanitra sy ny fampielezana ny filazantsara izy? Tsia. Ny sitrapon’Andriamanitra dia ny hamonjy ilay mpiandry tranomaizina. Niaritra fanaintainana sy fangirifiriana mafy tokoa i Paoly sy i Silasy noho ny vono natao taminy (Jereo and 22-23) nefa toa hadinony izany satria voalaza eto fa nony mamatonalina dia nivavaka sy nihira fiderana an’Andriamanitra izy ireo. Ny zavatra tsapa araka ny fizotran’ny fitantarana dia lasa vavahadin’ny lanitra ilay tranomaizina noho ny fahatongavan’ny Tompo Andriamanitra teo. Mampahatsiaro ny tenin’i Jereo Kristy indrindra izany ao amin’ny Mat. 5.11-12. Ianao koa ve vonona hiatrika ny fitsapana tahaka izany araka ny fanirahan’ny Tompo satria irahiny hanao izany ny Kristianina mba ho fanampiana ny hafa izay tian’Andriamanitra hovonjena koa?

2 – Manana vahaolana ho an’ny olony ny Tompo.

Rehefa nivavaka sy nihira fiderana i Paoly sy i Silasy dia nino fa tsy ho foana mihitsy ny fisasarany (cf 1 Kor 15.58; Fil 2.16) fa hanome vahaolana ny Tompo ka ho setrin’izany, dia indro nisy horohorontany mafy be izay nampihetsika ny tranomaizina ary nampivaha ny varavaran’ny tranomaizina rehetra sy ny fatoran’ireo voafatotra tao koa. Tena asa mahagaga nataon’ny Tompo tokoa izany hanampiany sy hampaherezany ny olona mba hahery sy hitory ny famonjena ho an’izay mila izany.

Fanontaniana

Manana lalam-pamonjena ho an’ny olony ve ny Tompo?

Sampana SEKOLY ALAHADY Foibe FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV