Sabotsy 13 aogositra 2022

2 Tantara 20.15-23

1- Omban’i Jehovah izay matoky Azy

Nisy firenena maromaro nitsangana hiady tamin’ny firenen’i Joda tamin’ny andron’i Josafata Mpanjaka. Natahotra azy ireo tokoa i Josafata satria maro be izy ireo. Nivavaka mafy tamin’Andriamanitra ny olona rehetra noho izany nangataka fanampiana, araka izay voalaza hoe « niangona ny Joda hangataka famonjena amin’i Jehovah, eny, avy tamin’ny tanànan’i Joda rehetra hitady an’i Jehovah izy ». Notarihin’i Josafata mihitsy izany fangataham-panampiana tamin’i Jehovah izany dia ny hanomezany vahaolana ho azy ireo amin’izay ady mananontanona satria heveriny fa handripaka azy ireo izany. Hita eto anefa fa omban’i Jehovah izay mivavaka sy mangataka marina Aminy satria voalaza hoe «tsy anareo ny ady fa an’Andriamanitra ». Manoloana ny zava-tsarotra mitranga izany dia mitodiha amin’Andriamanitra, mivavaha, mangataha Aminy fa tsy mijery fotsiny ny fahorian’ny olony Izy (cf Eks 14.13-14)

2- Aza hamaivanina ny fiderana Azy

Rehefa voavaly ny fangatahan’i Josafata sy ny olona amin’ny Joda rehetra ny amin’ny hiatrehana ny fahavalo dia izao ny voalaza avy eo : nitsangana ny Levita taranaky ny Kehatita sy ny taranaky ny Koraita mba hidera an’i Jehovah Andriamanitry ny Israely. » Araka izany, amin’ny atao rehetra dia tsy azo atao ambanin-javatra ny fiderana sy fisaorana Azy ary mampianatra antsika ity tenin’Andriamanitra ity, araka ilay voalazan’i Jesoa hoe mandehana dia manaova tahaka izany koa. Mandrakariva mantsy rehefa azo ny zavatra notadiavin’ny olona Taminy dia hadinoin’ny olona mihitsy Andriamanitra.

Fanontaniana

Mbola mamaly vavaka ve Andriamanitra? Olona manao ahoana no valiany?

Sampana SEKOLY ALAHADY Foibe FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV