Zoma 12 Aogositra 2022

1Tesaloniana 5.12—22

Fananarana ho an’ny Kristianina

1- Maneke izay mikely aina eo aminareo

Efa nitory ny filazantsara tany Tesalonika i Paoly apostoly kanefa voatery niala tany izy (cf Asa 17.1-10). Nisy tatitra nomen’ny mpanara-dia azy momba ny Tesaloniana taty aoriana ka nanoratra itony taratasy itony izy. Koa mananatra i Paoly mba haneken’ny Tesaloniana izay mitondra azy ireo, izay mananatra anareo. Tsy mbola mpitondra fivavahana akory izany, tsy mpitandrina koa fa olona notendrena fotsiny ho mpitarika sy mpananatra noho ny fanomezam-pahasoavana manokana nananany. Ilaina ny mpitarika ho mpandrindra ny fiaraha-monina satria samy hibaikobaiko eo daholo raha tsy misy izany ka tsy hisy zavatra vanona ny vokany; raha samy hibaikobaiko daholo mantsy dia ady no hiafaràna. Mananatra i Paoly ny mba hanajana ireny am-pitiavana fa soa ho an’ny fiaraha-miaina sy fiaraha-monina ny fisian’izy ireny.

2- Fifampitondrana maha izy azy ny Kristianina

Ankoatra izay dia misy ireto toetra ireto ambaran’i Paoly ihany koa mba ho amin’ny fahatsaram-piainana sy ho antom-pisian’ny firindran’ny fiaraha-monina rahateo.

  • Anaro izay tsy mitoetra tsara: ireo olona kamo miasa indrindra no tena tian’i Paoly holazaina eto. Tsy tokony hisy izany
  • Omeo toky ny malemy saina izany hoe ireo olona saro-tahotra
  • Ampaherezo ny reraka na ny marina kokoa hoe ampio ireo osa amin’ny lafim-piainana amin’ny ankapobeny
  • Mandefera amin’ny olona rehetra izany hoe aoka hahay hahari-po mba ho tsara ny fifandraisana (cf Efe 4.1-3)
  • Miezaha hitady izay tsara ka aza mifamaly ratsy.

Fanontaniana

Mila anarina ve ny Kristianina, iza no manao izany?

Sampana SEKOLY ALAHADY Foibe FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV