Alarobia 10 aogositra 2022

Salamo 44.9-20

Miorena tsara, aza miova!

1- Na dia mandalo fotoan-tsarotra aza

« Atolotrao tahaka ny ondry hohanina izahay » (and. 11). Maneho faminaniana momba an’i Jesoa Kristy ity Salamo ity. Ny fijery mahazatra tany amin’ny bokin’ny Deoteronomia dia fitahiana no miandry ny olo-marina. Miharihary tao amin’i Jesoa anefa fa malalaka amin’ny fanapahan-keviny Andriamanitra. Mety handalo fotoan-tsarotra ihany koa ny mpino amin’ny fotoana sasany. Nampiomana antsika ny Tompo hoe : « Fa aoka ho fantatra izao: fa any am-parany any dia hisy andro mahory » (2 Tim 3.1). Mitaky faharetana amintsika izany.

2- Mifikira hatrany amin’ny Tompo

Nitanisa ireo fahoriana samihafa nianjady taminy ny mpanao Salamo. Toa nariana, nahatsiaro menatra, niady irery, natao tsinontsinona, naely, fanakora, faneso, afa-boninahitra, (and. 9-16). Tena mampahatsiaro antsika izay niaretan’i Jesoa tao Golgota izany. Fa nifandray tamin’ny Rainy hatrany Izy. Ny mpanao Salamo ihany koa dia nanamafy hoe: “Izany rehetra izany no nanjo anay kanefa tsy nanadino Anao izahay » (and. 17). Vao mainka hamafiso ny finoana, mifikira hatrany amin’ny Tompo.

3- Ekeo hatrany ny fitantanany ny fiainanao

Tsy dia hita taratra ato amin’ity toko 44 ity mihitsy izay hirika na vahaolana manangasanga manoloana ny fahavoazan’ ny mpanao Salamo. Ny azo antoka dia fitaovana nanampy ny mpanao Salamo hifikitra amin’Andriamanitra, hiantoraka Aminy ilay zava-misy. Aza miandry vahaolana ianao vao mitraka fa mitrakà mba hahita vahaolana. Meteza hanahaka an’i Joba izay nahay nisaotra ny Tompo na dia tao an-katerena aza. Misaora amin’ny zavatra rehetra fa miara-miasa hahasoa ireny.

Fanontaniana

Mety hisedra zava-tsarotra koa ny mpino. Nahoana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2022

Oktobra: HAVAOZY NY FANOMPOAN'NY FIANGONANA

| | 02. Ala .XVI man Trinite
Isa 29.13-24/ Mar 7.1-13 /2 Kor 5.11-21

| | 09. Ala.XVII man Trinite-Radio Protestanta
Deo 13.7-12 / Lio 14.12-14 / 2 Kor 4.1-6

| | 16. Ala.XVIII man Trinite-MAMRE
Mal 3.13-24 /Lio 2. 36-38 /Rom 7.5-13

FJKM Fahazavana

FJKM AMPARIBE FAMONJENA

25/ 09 /22