Alatsinainy 08 aogositra 2022

Matio 7.7-20

Ny mpino kristianina

1- Sahy mangataka amin’ny Tompo

« Mangataha dia homena ianareo, mitadiava, dia hahita ianareo” (and. 7)
Tsy voatanisa ireo azonntsika angatahina amin’ny Tompo
toy ny fahendrena (Jak 1.5), finoana (Lio 17.5), famindram-po (Mat 9.27), fanasitranana (Mat 8.8) sy ireo maro tsy voatanisa. Ilaina atao mazava tsara ny adiresy hangatahana: « Amin’ny anaran’i Jesoa » (Jao 14.14). Sahia mangataka amin’ny Tompo ianao.

2- Misafidy ny làlana tery

« Fa èty ny vavahady, ary tery ny lalana izay mankany amin’ny fiainana, ka vitsy ny mahita azy » (and. 14). Tsy Demokrasia no ampiharina amin’ny finoana ka hanaraka an-jambany ny maro an’isa. Matetika ireny no mamarina an-kady. Mila miavaka amin’izao tontolo izao ny mpino. Na tapaky ny maro an’isa aza ka mifanohitra amin‘ny sitrapon’Andriamanitra dia mijoro amin’ny finoana isika

3- Mitandrina amin’ny mpaminany sandoka

« Mitandrema ianareo sao voafitaky ny mpaminany sandoka, izay mankao aminareo amin ‘ny fitafian’ny ondry” (and. 15). Maro ireo manao Tompoko, Tompoko, mampiasa andinin-tSoratra Masina, maneho fahagagana, te hisarika ny mpino amin’ny fampianarana sadasada. Tsaraina amin’ny asany ny olona fa tsy amin’ny fiteniny.

4- Mamoa voa tsara

« Ny hazo tsara tsy mety mamoa voa ratsy, ary ny hazo ratsy tsy mety mamoa voa tsara » (and. 18). Izay tena miorina amin’ ny finoana marina dia mijoro ho fanasina sy fahazavana. Mahery amin’ny teny sy ny asa be. Mitory ny filazantsara ary mahababo olona ho an’ny Tompo.

Fanontaniana

Inona no fironan’ny maro izay tsy tokony hataon’ny mpino?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV