Alakamisy 04 Aogositra 2022

Matio 18. 15-20 
Mpampahery isika fa tsy mpampihahaka 
1- Ialao ny fomba ratsy manafintohina olona 

Tafiditra amin’ny famalian’i Jesoa ny fanontaniana momba izay lehibe indrindra ao amin’ny fanjakan’ny lanitra ity toromarika ity. Ambaran’i Jesoa fa lozan’izao tontolo izao noho ny fahatafintohinana! (18.7). Manoro antsika ny fomba mahomby hisorohana ny fahatafintohinana izany Jesoa eto. « Ary raha manota aminao ny rahalahinao dia mankanesa any aminy… (and 15). Ny hitaona olona ho any amin’ny fanjakan ny lanitra no iraka azontsika fa tsy ny fanaovana izao antsojay mampangatsiaka fiainam-panahin’olona amin’ny endriny samihafa lava izao. 

2- Araho ny dingana momba ny famahana olana 

Mazava tsara ireo paikan-damina voalahatra eto: Mahakasika anao ilay olana, nanota taminao ny rahalahinao, ianao izay voakasik’izany no manatona, manontany, mihaino, mandresy lahatra. Raha mbola tsy mivaha ny olana vao maka olona hafa ary any amin’ny farany efa tsy azo anoharana vao ambara amin’ny fiangonana. Ny fandikàna io lamina napetraky ny Tompo io dia manimba zavatra maro. Sady manala baraka olona no tsy ampy famakafakana ka mitondra fangatsiahana. 

3- Mahaiza manaja ny rafitra antanan-tohatra 

Misy ny rafitra izay nomen’ny Tompo fahefana manokana mba hanapa-kevitra. Zava-dehibe ny fanajana ireny rafitra mahefa nomen’ny Tompo andraikitra manokana ireny (and. 18). Aza maika ho any amin’ny fitsarana sy ny haino aman-jery fa hajao ny rafitra. Aoka tsy ho maika handingana ihany koa fa misy antanan-tohatra ny rafitra ato amin’ny fiangonana; Mahavaha olana izy ireny, ary mitandro ny firaisan’ny liangonana tsy ho simba.

Fanontaniana : Inona no mahasarotra ireo famahana olana sasany?

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV