Alarobia 06 Jolay 2022

1 KORINTIANA 16.13-18

Tafiditra ao anatin’ny famaranan-teny ataon’i Paoly ao amin’ity Epistiliny ho an’ny Korintiana ity mofonaina ity ka hanamafisiny amin’ny :

1-Mba tsy ho varimbariana (and13)

« Miambena ianareo ,tomoera tsara amin’ny finoana , aoka hitomban-dahy ,mahereza« .Ny hevitry ny hoe : « miambena » dia hoe: «  »miareta tory » Izany hoe : ho « malina » , ho « vonona amin’ny fotoana » rehetra ka tsy ho tampoka aminy ny zavatra mety hitranga na inona na inona ,satria velona ny finoany , matanjaka ny finoany ka afa-miatrika ny zavatra rehetra .Ianao koa , aoka hafana tsara ny fiainam-bavaka ary hivelomana ny Tenin’Andriamanitra dia tsy hisy ho tampoka aminao .

2-Hiasa amin’ny fitiavana (and14)

« Izay rehetra ataonareo dia ataovy amin’ny fitiavana« . Ampitain’i Paoly izany eto mba hahatsiarovan’ny Korintiana fa zava-poana avokoa ny zavatra rehetra raha tsy tam-pitiavana no nanaovana azy .Fanamafisan’ny apostoly izay efa nolazainy ao amin’ny 1 Kor 13 hoe: : »na dia miteny amin’ny fitrenin’ny olona sy ny anjely aza aho , kanefa tsy manana fitiavana dia tonga varahina maneno ny kipantsona mikarantsana aho » .Ianao koa, mianara amin’i Jesoa .Ataovy amin’ny fitiavana ny zavatra rehetra na inona izany na inona.

3-Hankato izay mikely aina (and15-18)

« Mangataka aminareo aho ry rahalahy mba hanaiky tsara ny olona tahaka ireny … » hoy i Paoly eto. Ny kristiana dia manana adidy araka izany hankato ny mpanompon’Andriamanitra misahirana aminy fa tsy hanohitra na hanangana azy ireny ho fahavalo sanatria .

Fanontaniana :

Ahoana ny fandrefesanao ny tenanao raha tarafina amin’ireo voalaza ireo ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV