Sabotsy 02 Jolay 2022

EKSODOSY 35.20-29

Mitaona antsika ny mofonaina anio mba :

1-Hahafoy araka izay ananantsika ho an’Andriamanitra (and 20-24)

« Ary samy nanatona izy , dia izay rehetra nampahazotoin’ny fony ary izay rehetra namporisihan’ny fanahiny , ka nitondra fanatitra ho an’i Jehovah hanaovana ny trano lay fihaonana sy ny fanompoana rehetra momba azy ary ny fitafiana masina « . Tantaraina amintsika eto fa tsy nisy vonona hanolotra ho an’Andriamanitra ny olona hanaovana ny tranolay fihaonana , izay heverina fa itoeran’Andriamanitra .Voambolana miverina matetika eo ny hoe : « namporisihan’ny fony » na « nampahazotoin’ny fony  » izay maneho fa am-pitiavana tsy misy teritery no nanoloran’ny olona ho an’Andriamanitra , satria mahatsiaro izy ireo fa lehibe ny fitiavana sy ny famonjena antsika hatraiza ary ny fahasahiantsika manolotra ho an’ny tranon’Andriamanitra . Sahia àry manolotra ny tsara indrindra , ny sarobidy indrindra hanaovana ny asan’Andriamanitra amin’ny sehatra misy anao.

2-Hiasa ho an’Andriamanitra (and25)

Tsy ny fanomezana ihany no hitantsika taratra eto fa ny fahafoizan-tena ihany koa , ary tena sarobidy izany . Hita eto fa ny vehivavy voalaza fa hendry dia nisy « namoly tamin’ny tànany« .Izany hoe : tsy natao ho an’izay manam-bola na fitaovana hatolotra ihany ny fahafoizana ho an’Andriamanitra fa ny fahafoizan-tena ho an’Andriamanitra ihany koa dia tena zava-dehibe . Aoka tsy ho diso hevitra àry isika ka hoe : ny vola atolotra fa ny tena tsy omena . Jereo i Jesoa , ny tenany no natolony.

Fanontaniana

Nahoana no tsy mahafoy loatra hanaovana ny asan’Andriamanitra ny olona ankehitriny ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV