Talata 21 Jona 2022

Lioka 4.31-37
Ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra
Ity tantara ity dia maneho ny fahefan’ny Tenin’i Jesoa

1- Mampivoaka ny ratsy miafina

Nampianatra tao amin’ny Synagoga i Jesoa araka ny hita eto. Voalazan’i Lioka ao anatin’ity fitantarany ity fa talanjona ny olona tamin’ny fampianarany izay nisy fahefana. Vokany dia nisy olona nanana ny fanahin’ny demonia izay niantsoantso satria tsy tafatoetra ny demonia tao anatiny. Hay na ao am piangonana aza dia mety hisy olona manana demonia. Koa raiso tsara ny Teny omen’ny Tompo antsika mba tsy hahatamana ny demonia milafidafika ao am-pontsika ao.

2- Mandroaka ny fanahy ratsy

« Mangina ianao ka mivoaha aminy« , hoy Jesoa tamin’ny demonia. dia indro niala tamin’ilay lehilahy ny fanahy maloto. Dia talanjona fanindroany indray ireo nanatrika noho ny fahefan’ny Tenin’Andriamanitra. Anisan ireo asa nanirahana an’i Jesoa ny handrava ny fahefan’ny Devoly eo amin’ny fiainantsika (vakio 1 lao 2.8). Mba hahatonga antsika hahatsiaro ny hatsaran’ny Fanjakan ‘ Andriamanitra dia tsy maintsy mandalo ady amin’ilay ratsy isika. Ny Tenin’ Andriamanitra no sabatra entintsika mandresy izany.

Fanontaniana:

Efa nandramanao ve ny fahatsaran’ny Tenin’ny Tompo?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV