Alatsinainy 20 Jona 2022

Asan’ny apostoly 1. 6-11
Mampanjaka ny fahefany ny Tompo

Hitantsika eto amin’ity Perikopantsika anio ity ny dinidinika nifanaovan’i Jesoa tamin’ny mpianany mialohan’ ny hiakarany any an-danitra .

1- Hahazo hery izay omeny ny Fanahy Masina

Ny hery izay ambara eto dia manana dika mihoatra izay efa hain’ny olona ka entiny milaza tanjaka na traikefa. Satria ny hevitra fonosin’ny hoe: hery eto dia aseho amin’ny hetsika na asa. Izay hery manokana omen’ny Fanahy Masina mantsy dia hery sy fahefana handroaka fanahy ratsy, hosotra hanasitrana ny marary. Mirotsaka an-tsehatra ny Fanahy Masina amin’ny asa ataon’izay mandray Azy.

2- Ho vavolombelona izay mandray ny Fanahy Masina

Fantatsika fa tsy hoe : manome hery ihany ny Fanahy Masina fa mampitombo koa ny fahombiazana amin’ireo fijoroana ho vavolombelona: « Fa hahazo hery ianareo hilatsahan’ny Fanahy Masina aminareo, ary ho vavolombeloko… hatramin’ny faran’ny tany« (Asa 1.8). Izay velona araka ny Fanahy mantsy dia mahatsiaro ny fahotany satria hazavain’ny Fanahy Masina ny sainy sy ny fony ka tonga ho amin’ny fihebahana marina ka mahafoy ny làlan-dratsiny ary dia tonga olom-baovao ao amin’i Kristy, araka ny nambaran’i Paoly hoe « tsv izaho intsony no velona, fa Kristy no velona ato anatiko » (Gal 2.20)

Fanontaniana:

Efa nandray ny hery avy amin’ny Fanahy ve ianao?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2022

Jolay: IORENANA AMIN'NY  NY FINOANA  NY FANOMPOANA

| | 10. Ala.IV man.Trinite-Sampana Tanora Kristiana
Jos 2.1-16/ Mat 8.14-17/ 1Tim 4.11-16

| | 17. Ala. V man.Trinite -Samp Fivondronana Laika
Sal 116.12-19/ Mar 6.7-13/ 1Tes 1.1-10

| | 24. Ala.VI man.Trinite
Jona 1.1-16/ Lio 4.38-41/ Jak 2.21-26

FJKM Fahazavana

FJKM ANOSIZATO ANDREFANA FONENANA MASINA (SP AA11)