Alakamisy 16 Jona 2022

ISAIA 46.8-13

Isaia 46.8-13 

Manam-pahefana aminao ny Tompo.

Efa ela Izy no niasa ho anao ! 

1- Tsarovy ny zavatra taloha

Tsarovy ireo nitantanan’Andriamanitra anao. Fa nisy inona tany aloha? Raha ny olona nivantanan’ity teny ity no lazaina dia nisy fitantanan’Andriamanitra azy manokana. « Dia nitondra anareo tany anefitra efa-polo taona aho ; tsy rovitra teny aminareo ny fitafianareo, ary tsy rovitra teo amin’ny tongotrao ny kapanareo » (Deo. 29.4). Moa tsy toy izany koa ve no ambarany aminao anio ? Jereo ny lasanao fa feno ny famindrampony. Raha ny fahotana nataontsika dia tsy isan’izay tokony ho velona isika fa saingy tsy notsarovany ny lasantsika ary efa namboariny mihitsy aza hahatonga antsika ho sambatra ankehitriny. « Fa Andriamanitra mampiseho ny fitiavany antsika, fa... » (Rom. 5.8). 

2- Andriamanitra tsy miova Izy

Rehefa avy misaina ny lasa sy ny fitantanan’Andriamanitra isika dia mampahatsiahy Izy fa mbola tsy niova Izy, fa ilay efa niasa ho antsika hatramin’izay lasa izay ihany. Ary ambarany amin’izany fa tsy misy andriamanitra fa Izy ihany, ary hamafisiny fa tsy misy azo oharina Aminy na fitantanana ny olona na fiahiana ny olona. Tsy tiany hiherikerika amin’ny hery hafa isika satria tsy misy tia antsika mpanota afa- tsy Izy ihany, eny tsy misy mahavita antsika izany ankoatra Azy. Hoy Izy hoe : « Na dia mandra-pahantitrareo aza, dia tsy miova Aho…. » (Isa. 46:4) 

Fanontaniana :

Sao efa niova andriamanitra ianao ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

| | 12. Ala. VI man. Paska – Sampana Lehilahy Kristiana
Mpitsara 14. 5–9 | Jaona 16.5–11 | Galatiana 6. 1–10

FJKM Fahazavana

FJKM TRANOVATO AMBATONAKANGA – SP IARIVO AVARADRANO (19)

Alahady 21 Aprily 2024

Production FTV