Alarobia 15 jona 2022

2 Korintiana 10. 1-11

Ny fahefana ho entina mitory ny Filazantsara 

1- Dia avy amin’Andriamanitra (and. 3-5) 

Nisy mpampianam-pinoana sandoka, manaratsy an’i Paoly rehefa azon’ny fialonana izy. Nolazain’ireo fa tsy toy inona akory i Paoly rehefa hitany mivantana fa rehefa ao amin’ny amin’ny Epistily izy vao mody miseho ho henjana sy masiaka. Ambany ny fijerin’izy ireo an’i Paoly, kanefa ny fahefany entiny mitory ny Filazantsara anefa dia avy amin’Andriamanitra ka sahy manoratra ary manitsy sy mananatra izy ; eny fa na dia mety handona ny sokajin’olona samihafa aza dia tsy maintsy nataony izany satria efa nomen’ny Mpaniraka fahefana izy. Ry havana, rehefa hitory ny Filazantsara isika dia aoka ho sahy satria Andriamanitra no manome fahefana antsika hanao. 

2- Tsy entina amin’ny maha-nofo (and. 3-4).

Asehon’i Paoly fa na dia olombelona nofo sy rà aza izy ka mety hiseho ny maha- olombelona dia tsy miezaka ny haneho izany izy. Nisy filozofa mantsy manambara fa amin’ny maha- nofo ny olombelona dia entin’ny maha -biby azy ny olona rehefa tsy manaiky ho entin’ny saina hany ka misendaotra, manaonao foana ary maneho fihetsika hafahafa ; ilay antsoin’ny kristiana hoe : « manohitra ny sitrapon’Andriamanitra« . Kanefa dia ambaran’i Paoly, fa ny fiadiany dia ny Tenin’Andriamanitra, ny Fanahy masina, ny finoana, ny fanantenana, ny fitiavana, ny vavaka. Ary mody malefaka ireo fa tena henjana be ny fiantefany mandrava manda mafy be an’ny Devoly. Ry havana rehefa miady, dia ireo enti-miady fa ho hitanao ny vokany avy eo. Ampirimina mihintsy ny maha-nofo fa tsy mahomby izany ireo. 

Fanontaniana :

Inona izany aminao ny fitaovam-piadiana mahomby indrindra ?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV