Talata 14 jona 2022

Matio 21. 23-27 
Ny fahefan’i Jesoa Kristy 

1- Dia tsy avy amin’ny olon-kafa (and 24) 

Hitantsika avy amin’io andininy io fa tsy namaly mivantana ny fanontanian’ny lohan’ny mpisorona sy ny loholona i Jesoa. Tokony hisy valiny tsara mihitsy ny fanontanian’ireo manam-pahefana ara-pivavahana izany hoe : mpikolokolo ny resaka am-panahy kanefa hanjakan’ny fialonana tanteraka satria tsy manam-pitiavana. Tamin’izany fotoana izany ny olona malaza manao famantarana tahaka izao ataon’i Jesoa izao dia fantatry ny maro amin’ny fianarana norantoviny. Ny anaran’olona malaza entiny, ny fironany ary ny firenena matanjaka manohana azy. Velona araka izany ny fialonany an’i Jesoa kanefa tsy fantany fa ny fahefan’i Jesoa dia tsy avy amin’izany rehetra izany, satria izany dia olombelona ihany. Hafa mihitsy Jesoa. Ry havana, mpiandraikitra ny ara-panahy ve isika ? Aoka hitandrina sao manahaka ireto lohan’ny mpisorona sy loholona ireto ka manohitra an’i Jesoa ilay Mpamonjy ny fanahy. 

2- Fa avy amin’ny maha Andriamanitra Azy

dia hoy i Jesoa taminy : « Izaho kosa tsy hilaza aminareo ny fahefana anaovako izany ». Tsy mamaly ratsy ny ratsy akory Jesoa fa raha namaly izy hoe : avy amin’Andriamanitra ny fahefako dia lazain’ireo fa miteny ratsy na manao blasfemia izy. Raha mamaly koa Jesoa hoe : avy Aminy ihany dia tsy eken’ny olona izany satria ny Fariseo no tena manana fahefana tamin’izy ireo tamin’izany. Ny fahefan’i Jesoa dia avy amin’Andriamanitra ary indrindra amin’ny maha Andriamanitra Azy. Fahefana tsy miova, azo ianteherana tokoa ! Matokia Azy ! 

Fanontaniana :

Fantatrao hatrizay ve fa tsy mitovy amin’ny olombelona teto amin’izao tontolo izao i Jesoa?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV