Alatsinainy 13 jona 2022

2 Tantara 20. 5-9 
Esory ny tahotra sy ny ahiahy 

1- Fa manana fahefana amin’ny Jentilisa ny Tompo (and. 6)

Nisy fiheverana nampidirina tao amin’ireo taranak’i Abrahama rehetra na ny tao avaratra na ny tao atsimo fa Jehovah dia Andriamanitry ny efitra ihany. Nisy ihany koa nihevitra fa ny vahoaka masina, izany hoe izy ireo ihany, no azon’i Jehovah tapahina ka ananany fahefana. Diso be anefa izany ! Manjaka amin’ny tany rehetra Jehovah ary manapaka ny jentilisa ihany koa. Josafata mpanjakan’i Joda teto dia niantso vonjy tamin’i Jehovah tao an-tranon’Andriamanitra anatin’ny fifadian-kanina fa misy firenena vitsy mitambatra hiady amin’ny firenen’i Joda. Natahotra izy ka notsarovany tao anaty vavaka fa manana fahefana amin’ny jentilisa Jehovah. Eny tokoa, Izy no mifehy izao tontolo izao. Satana dia manjakazaka fotsiny fa tsy manana fahefana. An’i Jesoa irery ny fahefana any an-danitra sy ety an-tany (Matio 28:18) 

2- Fa mitàna ny fanekeny hatrany ny Tompo (and.9) 

Ao an-tranon’i Jehovah izy ireo no mivavaka miantso vonjy Aminy amin’ny andro fahoriana. Tojo fahorian-tsaina àry Josafata eto ka mahatsiaro ny fanekena izay efa nataon’i Jehovah tamin’i Solomona (2 Tan. 7:15). Azony antoka tokoa fa hitazona mandrakariva ny fanekeny Jehovah ka izay no antony niantsoany Azy. Tsy mivadika amin’ny fanekeny ny Tompo ka azo itokisana tsara. Aza manan-tahotra sy ahiahy fa manana fahefana hihaino ny vavaka ataontsika Izy. 

Fanontaniana :

Raha miatrika ady sarotra ianao, sahy tsy miditra am piangonana ve ? Iza no tonga ao an-tsainao voalohany hitadiavana famonjena ?

Perikopa 2022

Jolay: IORENANA AMIN'NY  NY FINOANA  NY FANOMPOANA

| | 10. Ala.IV man.Trinite-Sampana Tanora Kristiana
Jos 2.1-16/ Mat 8.14-17/ 1Tim 4.11-16

| | 17. Ala. V man.Trinite -Samp Fivondronana Laika
Sal 116.12-19/ Mar 6.7-13/ 1Tes 1.1-10

| | 24. Ala.VI man.Trinite
Jona 1.1-16/ Lio 4.38-41/ Jak 2.21-26

FJKM Fahazavana

FJKM ANOSIZATO ANDREFANA FONENANA MASINA (SP AA11)