Alahady 22 Mey 2022

EZEKIELA 37.1-14

Ny fikasan’Andriamanitra ho an’ny fiangonany

1-Manaiky hotarihan’ny Fanahy Masina

« Ary hataoko ao anatinareo ny Fanahiko » (and14). Miasa , manome ny Fanahiny ho an’ny olony eto Andriamanitra .Io Fanahin’Andriamanitra io no manavaka , mampiavaka ny olona efa nofidiny noho ny firenena hafa .Fitiavana manokana izany , fa na dia teo aza ny toetran’ny olona niodina taminy dia tsy foiny .Nomen’Andriamanitra ny Fanahy Masina isika ary tena fitiavany izany .Mampiseho izany fa miavaka amin’ny olona hafa isika .

2-Mitondra fahavelomana

« ...dia ho velona ianareo... » (and14) ilay vahoakan’Israely niaina tany amin’ny tany fahababoana , efa tsy nanana ny maha-izy azy intsony no indro ambara fa ho velona.Ny fanomezana aina ireo taola-maina izay nifanantonantona , naniry hozatra sy nofo, nasiana fofonaina ary tonga nanana fahavelomana .Raha manaiky hitoeran’ny Fanahy Masina sy tarihan’izany eo amin’ny fiainana izay vaovao ao amin’i Jesoa Kristy .

3-Mitondra fampihavanana

« hamponeniko any amin’ny taninareo ianareo ... » (and14).Honina sy hitoetra indray ao amin’ny tany fampanantenana ny olona . Ny fiparitahan’ireo taola-maina tao an-dohasaha dia endriky ny fisarahana .Rehefa niasan’ny Fanahin’Andriamanitra kosa anefa dia tonga fiombonana, rava ilay fisarahana. Rehefa manaiky hotarihan’ny Fanahy Masina ny olona dia miaina tontolo vaovao misy fiombonana, fifankatiavana, fihavanana.

Fanontaniana :

Lazao ireo toetra tokony hampiavaka ny mpino kristiana .

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

Mey: MAMPAHERY NY FANAHY MASINA

| | 05. Alahady faha V manaraka ny Paska
Joba 33. 1–7 | Jaona 1. 32–34 | Romana 8. 9–13

| | 09. ANDRO NIAKARANA
Salamo 68. 15–18 | Marka 16. 19–20 | Heb. 9. 23–28

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV