Sabotsy 21 May 2022

Efesiana 1. 7-14 

Mpino nandray ny tombo-kase 

Asehon’i Paoly Apostoly eto ny mampiavaka ny olona nandray ny tombo-kasen’ny Fanahy Masina. 

1- Mahalala ny drafi-pamonjen’Andriamanitra
« Izany Fanahy izany no santatry ny lovantsika ho amin’ ny fanavotana » (and.14) 

Manana ny fikasana manokana ho an ‘izao tontolo izao Andriamanitra dia ny famonjena tamin’ny alalan’i Jesoa Kristy. Tsy ho takatry ny saina sy ny fahalalan’ny olona samirery izany raha tsy nomena ny Fanahy Masina.Izy no mitarika ny mpitory ny filazantsara , fa mifamatotra amin’izany ny olona manaiky tarihin’ny Fanahy Masina rehefa mandre ny Filazantsara dia mahatakatra ny asan’Andriamanitra. Ho fantany fa tia azy Andriamanitra, te -hanafaka azy amin’ny fatoran’ny fahotana. mamela ny helony ho famonjena azy. 

2- Miaina amin’ny maha olon’ Andriamanitra 

Hoy ny and 13 « ho aminy koa ianareo, rehefa renareo ny tenin’ny fahamarinana…« . tafaray amin’i Jesoa Kristy ny mpino nandray ny tombo-kasen’ny Fanahy Masina. Izany hoe : tsy mahalala ny drafi-pamonjen’ Andriamanitra fotsiny ny mpino fa rehefa nino ka nandray ilay famonjena, fa manana ilay Fanahy Masina mitoetra ao anaty sy mitarika azy dia tonga manana fiainana vaovao, fiainan’ny olom-boavonjy, fiainan’ny zanak’Andriamanitra. olona miaina miaraka amin’Andriamanitra. Mandray anao ho ao amin’ny lovan’ny olom-boavonjy Andriamanitra raha manaiky hotarihin’ny Fanahy Masina mandrakariva ianao.

Fanontaniana :

Mbola misy ve mpino Kristiana misalasala amin’ny asan’Andriamanitra eo amin’ny fiainany? Nahoana?

Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM

Perikopa 2024

Aprily: MANAZAVA NY MPINO NY TOMPO

| | 21. Alahady III manaraka ny Paska
Isaia 60. 18–22 | Lioka 11. 33 – 36 | Efesiana 5. 8–14

| | 28. Ala. IV man. Paska – Asa TOPAZA
Genesisy 21. 12–21 | Matio 19. 13–15 | Hebreo 12. 7–11

FJKM Fahazavana

ALAHADIN’NY DORKASY 2024

FJKM IFALIARIVO AMBANIDIA

Production FTV