Talata 17 May 2022
Asan’ny Apostoly 10 : 34-48
Ny maha Izy Azy ny Fanahy Masina
Ity teny voalahatra ity dia ahitantsika ny toriteny nataon’i Petera rehefa tafahaona tamin i Kornelio izy.
1- Mitarika ny olona hanao asa tsara
Nanambara ny amin’i Jesoa Kristy i Petera, naharihariny fa i Jesoa Kristy dia Ilay Voahosotr’Andriamanitra, nanana ny Fanahy Masina. Ny Fanahy Masina no nitarika Azy nanao asa samihafa teo amin’izay sehatra nanirahan’ Andriamanitra Azy. Nanao asa soa i Jesoa Krsity, asa mitondra fiainana, namonjy, nanafaka ireo olona tamin’ny fatorana samihafa. Nomena ny Fanahy Masina ihany koa isika mpino Kristiana. Raha manaiky ny asan’ny Fanahy Masina isika dia manao asa tsara eo amin ny fiaraha-monina misy antsika. Manaova asa tsara mandrakariva.
2- Fanomezana ho an’ny olona rehetra.
Nambaran’i Petera tamin’ny toriteny nataony fa tsy mizaha tavan’olona Andriamanitra (and.34). Niseho tamin’ ny endrika hita maso tokoa izany. Raha mbola nitoriteny izy dia nilatsaka tamin’ny olona nandre ny teny ny Fanahy Masina (and. 44), nandray ny Fanahy Masina fanomezana avy amin’Andriamanitra ny hafa firenena, Ireo olona nandray ny Fanahy Masina dia nankalaza an’ Andriamanitra. Tsy manavakavaka tokoa Andriamanitra, tiany handray ny famonjena, tiany ho amin’ny fifandraisana sy ny fiderana Azy ny olona rehetra ka nomeny ny Fanahy Masina. Tombotsoa manokana ho anao izany, Mankalaza an Andriamanitra mandrakariva.
Fanontaniana :
Inona avy ireo asa fanompoana tokony hataon ‘ny olona nandray ny Fanahy Masina?
Sampana Sekoly Alahady FOIBE FJKM